MOFON’AINA ZOMA 12 OKTOBRA 2018

8 Fa maizina ianareo fahiny, fa efa mazava ao amin’ ny Tompo kosa ankehitriny; mandehana tahaka ny zanaky ny mazava9 (fa ny vokatry ny mazava dia ao amin’ ny fahatsarana rehetra sy ny fahamarinana ary ny fahitsiana),10 mamantatra izay ankasitrahan’ ny Tompo.11 Ary aza miray amin’ ny asan’ ny maizina tsy mahavoka-tsoa, fa aleo mananatra izany.12 Fa izay ataony ao amin’ ny miafina, dia mahamenatra na dia ny milaza izany aza.13 Fa ny zavatra rehetra, raha anarina, dia asehon’ ny mazava; fa na inona na inona aseho dia mazava.14 Koa izany no ilazany hoe: Mifohaza hianao izay matory, Ary mitsangàna amin’ ny maty, Dia hampahazava anao Kristy.15 Koa tandremo tsara izay fandehanareo, mba tsy hitondranareo tena tahaka ny adala, fa tahaka ny hendry,16 ka hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa, fa ratsy izao fiainana izao.17 Ary noho izany dia aza manao adaladala, fa aoka ho fantatrareo izay sitrapon’ ny Tompo.18 Ary aza ho mamon-divay ianareo, fa amin’ izany dia misy fanaranam-po amin’ ny ratsy, fa aoka hofenoina ny Fanahy,19 ka mifampilazà amin’ ny salamo sy ny fihirana ary ny tonon-kiram-panahy, dia mihira sy mikalo ao am-ponareo ho an’ ny Tompo,20 misaotra an’ Andriamanitra Ray mandrakariva noho ny zavatra rehetra, amin’ ny anaran’ i Jesosy Kristy Tompontsika,21 sady mifanaiky amin’ ny fahatahorana an’ i Kristy,
EFESIANA 5 : 8-21

MANDEHA TAHAKA NY ZANAKY NY MAZAVA

Hoy Paoly tamin’ny Kristianina tao Efesosy hoe: « olona efa mazava » izy ireo. Ary satria efa mazava dia ampirisihiny handeha toy ny zanaky ny mazava. Raha ny marina dia Jesoa no tena mazava, ary Izy irery no nahay nandeha toy ny zanaky ny mazava. Tsy nisy nahita Azy anefa isika fa izay voasoratra ao amin’ny Soratra Masina no manambara ny momba Azy. Ny hoe mandeha tahaka ny zanaky ny mazava toa an’i Jesoa dia

  1. Mandeha toy ny olon-kendry (and 15,17)

Misy fomba roa ho enti-mitondra tena, adaladala sy Hendry. Eto dia tsy avelan’i Paoly hanao
adaladala ny kristianina fa ho Hendry ary izay fahendrena izay no hamaritra ny fandehanany na ny fanaovany zavatra eo amin’ny fiainany. Ny tenin’Andriamanitra no tena manome fahendrena, koa raha te handeha amin’ny fahendrena ny mino dia mila ny tenin’Andriamanitra izy ho TONDROZOTRA arahina eo amin’ny fiainana. Jesoa dia tena feno fahendrena satria ny tenin’Andriamanitra no narahiny tamin’ny zavatra rehetra nataony.

  1. Manasoa ny hafa (and 16)

Ratsy hoy Paoly izao rehetra izao, efa tsy dia mahazatra intsony ny mandre sy mahita olona manao zavatra tsara. Tsy hoe tsy misy fa efa vitsy ny mpanao izany. Eto Paoly dia mampirisika ny kristianina mba hanao ny tsara, hanao soa, hanasoa ny hafa mba tsy ho ny zavatra ratsy hatrany no ho be mpanao fa ny tsara koa. Ny hoe manao soa ao anatin’ny tontolo efa hanjakan’ny faharatsiana dia tena fijoroana ho vavolombelon’i Jesoa Kristy tokoa, fanehoana ho hita maso ny maha-zanaky ny mazava ny tena. Fampianarana ny mpiarabelona fa tena zavatra mbola azo atao tsara ny manao soa.

  1. Miaro tena amin’ny ratsy (and 18)

Izao rehetra izao dia miezaka tokoa mitady fahafinaretana maro amin’ny zavatra eto an-tany. Ny zavatry ny tany anefa dia tena mampianatra ny olona tsy hahay hifehy tena, hanaram-po ka tsy mijanona raha tsy efa diso lasa lavitra loatra. Mampianatra Paoly eto mba tsy ho toa izany ny mino, tsy ilay olona diso mitady fahafinaretana loatra ka miafara amin’ny fanaranam-po amin’ny ratsy izany. Zanaky ny mazava ny mino, mahay mifehy tena ka miaro ny tenany amin’ny ratsy. Ny asan’ny Fanahy Masina ao aminy no manampy azy amin’izany.

  1. Mifampitaona amin’ny fivavahana (and 20,21)

Zavatra lany andro ankehitriny no fiheveran’ny olona ny fivavahana. Ireo olona heverina ho tsy
manan-katao no hisokajiana ireo mpivavaka, mandany fotoana fotsiny amin’ny zavatra izay tsy manao ahoana akory. Efa tena tsy manan-danja amin’ny olona intsony tokoa ny fivavahana. Rehefa tena tsy misy zavatra atao firy intsony vao manam-potoana ho an’Andriamanitra ny olona. Tsy mba mifanentana amin’ny fiderana sy fanomezam-boninahitra ny Tompo izany ny olona. Isika dia zanaky ny mazava, koa na dia tsy ataon’ny olona ho laharam-pahamehana aza ny fivavahana dia zavatra ifanentanan’ny mino kosa izany. Ezahiny mandrakariva ny ho tsara fifandraisana amin’Andriamanitra.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.