MOFON’AINA ZOMA 13 MARTSA 2020

Soraty ho amin’ny anjelin’ny fiangonana any Efesosy. Izaho no lazain’Ilay mihazona ny kintana fito eny an-tànany ankavanana sady mandeha eo afovoan’ny fanaovan-jiro volamena fito: 2 Fantatro ny asanao sy ny fikelezanao aina sy ny faharetanao ary ny tsi-fahazakanao izay mpanao ratsy; ary hianao efa nizaha toetra izay milaza ny tenany ho Apostoly, kanjo tsy izy ary hitanao fa mpandainga izy; 3 ary manana faharetana ianao ka niaritra noho ny anarako sady tsy reraka. 4 Kanefa manan-teny aminao Aho, satria efa niala tamin’ny fitiavanao voalohany ianao. 5 Koa tsarovy izay nitoeranao fony tsy mbola lavo, dia mibebaha, ka manaova ny asa voalohany; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao Aho ka hamindra ny fanaovan-jirona hiala amin’ny fitoerany; raha tsy mibebaka ianao. 6 Kanefa izao no toetranao :halanao ny asan’ny Nikolaita, izay halako koa. 7 Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ny Fanahy amin’ny fiangonana .Izay maharesy dia havelako hihinana ny avy amin’ny hazon’aina , izay eo amin’ny Paradisan’Andriamanitra.
APOKALYPSY 2 : 1-7

KRISTIANINA MIVERINA AMIN’NY FITIAVANA VOALOHANY

Rehefa dinihina ny Soratra Masina eo am-pelantanantsika, indrindra ny Testamenta Vaovao dia tsy tokony hohadinoina fa tsy i Paoly ihany no nanoratra Epistily ho an’ny fiangonana fa Jaona Apostoly koa tena nanao izany. Ireo hafatra fito ho an’ny fiangonana tany Azia dia tena Epistily voatokana ho an’ireo fiangonana ireo. Anisan’ny mpanoratra ngezalahy ao amin’ny Testamenta Vaovao i Jaona, izy no mpanoratra boky be indrindra taorian’i Paoly. Tenin’i Jesoa ho an’ny fiangonana tao Efesosy ity. Ny Kristianina tao amin’ny fiangonana dia ambaran’i Jesoa fa kristianina niaritra izay natao taminy noho ny amin’i Jesoa. Kristianina nanan-tsiny koa izy ireo noho izy ireo niala tamin’ny fitiavana voalohany. Eto dia taomina hiverina amin’ny fitiavana voalohany izy ireo ka

  1. Mahatsiaro ny lasa (and 5)

« Koa tsarovy izay nitoeranao fony tsy mbola lavo »

Ilay lasa asaina tsaroana eto dia ilay lasa namirapiratra tao amin’ny Tompo (fony tsy mbola lavo). Zava-dehibe ny mahatsiaro ny tena sy ny lasa niarahana tamin’ny Tompo. Anisan’ny dingana fiverenana amin’ny fitiavana arak’izany ny mahatsiaro ny lasa izay mbola nahatehirizana ny tena tsy nanan-tsiny teo anatrehan’ny Tompo. Eo amin’ny fiainana maha-kristianina tokoa dia efa tena niaina izany isika, indrindra taorian’ireny fotoana nandraisam-pahasoavana samihafa ireny. Koa samia mahatsiaro izany isika rehetra. Ilaina ny mahatsiaro azy ireny sy ny tranga nisy tamin’izany, mampahatsiaro ny firehetan’ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny hafanam-po tamin’ny asan’Andriamanitra naseho tamin’ny fanoloran-tena mantsy ireny.

  1. Mibebaka (and 5)

« dia mibebaha »

Rehefa mahatsiaro ny lasa niarahana tamin’ny Tompo isika, ka eo no mahatsiaro koa fa nisy lasa toa maloka, izay tsaroana fa nampanalavitra tamin’ny Tompo. Dia aoka hanapa-kevitra avy hatrany hiverina amin’ny Tompo amin’ny fibebahana fa tsy hangataka andro akory. Tsy ho tafaverina amin’ny Tompo sy ny fitiavana voalohany na oviana na oviana izay tsy mahabebaka. Tsara ny mahatsiaro ny lasa mba hahatsiarovana hoe taiza ho aiza no lavo isika, inona no anton’izany, sns… fa ny fahatsiarovana ny lasa toa izany koa dia mampandini-tena ka raha mahatsiaro fa tena mbola tavela eo amin’izay nahalavo dia mila miala amin’izany ka mibebaka amin’ny Tompo.

  1. Miasa amin’ny fo feno fitiavana (and 5)

« ka manaova ny asa voalohany »

Ny fibebahana dia mitarika antsika hanonitra izay rehetra tsy nifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra. Asa ateraky ny fibebahana, asa vokatry ny fo feno fitiavana. Izay nibebaka tokoa dia miasa ho an’ny Tompo amin’ny fitiavana. Manaova asa toa ny tamin’ny voalohany nifandraisana tamin’ny Tompo, asa amin’ny hafanam-po, asa amin’ny fo tsy mihatsaravelatsihy, asa ateraky ny fitiavan’i Kristy. Handeha samy hanao ezaka ny rehetra ka hiasa ho an’Andriamanitra amin’ny fo feno fitiavana an’i Jesoa.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.