MOFON’AINA ZOMA 13 MAY 2022

1Ary raha mbola tany Korinto Apolosy, dia nitety ny tany ambony Paoly ka tonga tany Efesosy, dia nahita mpianatra sasany teo izy 2ka nanao taminy hoe: Efa noraisinareo va ny Fanahy Masina, fony vao nino ianareo? Fa ireo nanao taminy hoe: Tsy renay akory fa efa nomena ny Fanahy Masina. 3Ary hoy Paoly: Ho amin’inona ary no nanaovana batisa anareo? Dia hoy ireo: Ho amin’ny batisan’i Jaona. 4Fa hoy Paoly: Jaona nanao ny batisan’ny fibebahana ka nilaza tamin’ny olona hino Izay ho avy manaraka azy, dia Jesosy. 5Ary raha nahare izany izy, dia natao batisa ho amin’ny anaran’i Jesoa Tompo. 6Ary rehefa nametrahan’i Paoly tanana izy, dia nilatsaka taminy ny Fanahy Masina; ary niteny tamin’ny teny tsy fantatra izy sady naminany. 7Ary tokony ho roa ambin’ny folo lahy no isan’izy rehetra.ASAN’NY APOSTOLY 19:1-7

FOMBA AHOANA NO ANDRAISANA NY FANAHY MASINA?

Efa noraisinareo ny Fanahy Masina, fony vao nino ianareo? (and.2). Izany fanontaniana izany no napetrak’i Paoly tamin’ireo mpianatra tao Efesosy. Ny fandraisana ny Fanahy Masina dia:

1- Amin’ny alalan’ny fahalalana an’i JESOA.

Gaga i Paoly rehefa nahafantatra fa tsy mbola nandray ny Fanahy Masina ireto mpianatra ireto, na dia efa nandray fampianarana tamin’i Apolosy aza. Ekena fa zava-dehibe ny fampianarana noraisin’izy ireo, dia ny amin’ny batisan’i Jaona izany, saingy tsy ampy izany raha tsy miafara amin’ny fahalalana an’i Jesoa ho hany Mpamonjy tokana. Noho izany dia nampianatra azy ireo bebe kokoa ny amin’i Jesoa Kristy i Paoly (and.4). « Fa hoy i Paoly: Jaona nano ny batisan’ny fibebahana ka nilaza tamin’ny olona hino Izay ho avy manaraka azy, dia Jesoa. » Ny fahalalana an’i Jesoa Kristy no mitondra ho amin’ny fibebahana, ary izany no fepetra voalohany handraisana ny Fanahy Masina.

2- Amin’ny alalan’ny batisa ho amin’ny anaran’i JESOA.

Nanaiky hatao batisa amin’ny anaran’i Jesoa ireo mpianatra roa ambiny folo lahy tao Efesosy. Rehefa nametrahan’i Paoly tanana izy ireo dia nilatsaka taminy ny Fanahy Masina. Ary izany no fiandohan’ny Fiangonana tao Efesosy. Ny antony anomezan’Andriamanitra ny Fanahy Masina ho an’ny Fiangonana dia ny hanampy sy hampahery azy amin’ny toe-javatra sarotra. Ny olona nomena fahalalana an’i Jesoa no afaka hino Azy. Ary ny finoana Azy no mitarika ny olona hibebaka sy hanaiky hatao batisa amin’ny Anarany. Izay rehetra manaiky an-tsitrapo hatao batisa amin’ny Anarany kosa no handray ny Fanahy Masina ka hanan-kery hijoro ho vavolombelony amin’ny fotoana rehetra.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.