Mofon’aina – ZOMA 14 APRILY 2017

45 Ary hatramin’ ny ora fahenina ka hatramin’ ny ora fahasivy dia maizina ny tany rehetra.46 Ary nony tokony ho tamin’ ny ora fahasivy, dia niantso tamin’ ny feo mahery Jesoa ka nanao hoe: Ely, Ely, lamà sabaktany? izany hoe: Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy Ahy Ianao?47 Ary ny sasany tamin’ izay nijanona teo, raha nandre izany, dia nanao hoe: Miantso an’ i Elia Ilehio.48 Ary niaraka tamin’ izay ny anankiray teo aminy dia nihazakazaka ka nandray sipaonjy, ary rehefa natsobony tamin’ ny vinaingitra izany ka notohiziny tamin’ ny volotara, dia natohony hotsentsefin’ i Jesoa.49 Fa ny sasany kosa nanao hoe: Aoka hoe hizahantsika na ho avy hamonjy Azy Elia, na tsia.50 Ary rehefa niantso tamin’ ny feo mahery indray Jesoa, dia nanolotra ny fanahiny.
MATIO 27 :45-50

NANOLOTRA NY FANAHINY I JESOA KRISTY

1-Miantso an’ Andriamanitra i Jesoa Kristy

Tahaka ny mpanao salamo, miantso an’ Andriamanitra i Jesoa (Sal 22.1, and 46). Toy ny hiakan’ny mpanompon’ Andriamanitra ny an’i Jesoa. Olombelona nijaly Izy. Nampijaly azy hatramin’ny farany ny tsy mino, ny manam-pahefana sy ny manan-kery teto an-tany. Ny herin’ny fitiavan’i Jesoa dia mahazaka fahoriana sy fijaliana. Mahery ny fitiavan’i Jesoa, ka tsy misy afaka misakana azy. Mangaihay foana ny mpamono Azy na dia manao izay fara-heviny sy fara-heriny aza. Tsy fantatry ny tsy mino ny fifandraisan’i Jesoa sy Andriamanitra. Tarihana ny fo sy ny saintsika fa manana fifandraisana tsara amin’ny Tompo isika ao amin’ny vavaka.

2-Manolotra ny fanahiny i Jesoa Kristy

Niala aina i Jesoa Zanak’ Andriamanitra eto. Raha nanomboka ny fanompoany teto an-tany i Jesoa dia ny nanambara momba Azy Andriamanitra tao amin’ny Fanahy Masina. Eto indray i Jesoa dia manolotra ny ainy amin’ Andriamanitra. Ao amin’ny Jaona 19 :30 dia manambara i Jesoa fa vita ny iraka nataony dia ny famonjena izany. Manomboka sy mifarana amin’ny fanambaran’ Andriamanitra sy Jesoa Kristy ny fahatanterahan’i Jesoa ny iraka nataony. Zava-miafina amin’izao tontolo izao ny aizina mitataovovonana sy ny hiakan’i Jesoa miantso an’ Andriamanitra : Andriamanitra ô !

Fanontaniana :

Ahoana ny endriky ny fifandraisantsika amin’i Jesoa Kristy ankehitriny ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !