MOFON’AINA ZOMA 14 FEBROARY

32 Ary ankehitriny izaho manolotra anareo ho amin’Andriamanitra sy ho amin’ny tenin’ny fahasoavany, izay mahay mampandroso sy manome lova anareo eo amin’izay rehetra nohamasinina. 33 Tsy mba naniry volafotsy na volamena na lamban’olona aho. 34 Fa fantatrareo ihany fa ireto tànako ireto no niasa mba hahazoako sy ny niaraka tamiko izay nilainay. 35 Efa nasehoko anareo tamin’ny zavatra rehetra fa tokony hiasa toy izany koa hianareo, mba hiantra ny mahantra ka hahatsiaro ny tenin’i Jesosy Tompo, izay manao hoe: « Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray »
ASAN’NY APOSTOLY 20 : 32-35

MIASA NY MINO

Misy fomba fijery ankehitriny heveriko fa mila hahitsy momba ny asa. Ny filazan’ny bokin’ny Genesisy hoe : « Ny fahatsembohan’ny tavanao no hahazoanao hanina »( Gen 3 : 19) dia raisin’ny ankamaroan’ny olona ho ozona. Raha ny marina mantsy dia kapoka noho ny fahotana izy ity. Dia be dia be ny mandray ny asa ho toy ny ozona. Tsy ozona velively anefa ny asa fa fanehoana ny maha-endrik’Andriamanitra antsika. Miasa Andriamanitra, dia miasa isika zanany, miasa Jesoa, dia miasa koa isika mpanompony. Antony roa mazava tsara no ambaran’i Paoly eto tokony hanentana antsika rehetra hiasa, indrindra isika Kristianina

  1. Mamelona ny mpiasa ny asa (and 34)

« Fa fantatrareo ihany fa ireto tànako ireto no niasa mba hahazoako sy ny niaraka tamiko izay nilainay »

Mampianatra eto Paoly fa tena zava-dehibe ny miasa. Amin’ny alalan’ny asa mantsy no hahafahana mamaly ny filàn’ny tenany sy izay rehetra niaraka taminy tamin’ny fitoriana ny filazantsara. Tsy afaka nihinana, nitafy, nahazo izay nilainy ho enti-mivelona izy ireo raha tsy niasa. Asan’ny tànana moa no ambarany eto. Asa fanaovana voaly amin’ny sambo moa ity asa tànana ity. Mazava tsara koa fa niaro an’i Paoly sy ireo namany « Tsy mba naniry volafotsy na volamena na lamban’olona aho » izany. Nanampy azy tsy hitsiriritra sy hangalatra ny an’ny hafa izany. Amin’ny maha-kristianina antsika dia mila miasa isika, ary ny fitahian’Andriamanitra ny asantsika no mahatonga antsika ho afaka mivelona ara-dalàna ka mahavaly ny filàntsika. Manamafy ny maha-sarobidy ny asa Paoly raha niteny hoe: « raha misy tsy mety miasa, dia aoka tsy hihinana izy »( 2 Tes 3 : 10). Toe-tsaina mila volena sy hanazarana ny mpiarabelona amintsika eto Madagasikara ity toe-tsain’ny asa ity. Variana mitaingin-tambo, variana miloaka manao karatra, variana mipetrapetraka eny ambody hazo, variana misotro toaka mantsy ny ankamaroan’ny Malagasy ka manadino ny hasoan’ny asa, hany ka maro no tsy mahavaly ny filàny fototra. Mila beazina ho tia miasa ny mpiray tanindrazana amintsika, adidin’ny fiangonana ny manao izany.

  1. Miasa isika mba ho enti-manasoa ny hafa (and 35)

« Tokony hiasa toy izany koa ianareo, mba hiantra ny mahantra ka hahatsiaro ny tenin’i Jesoa Tompo, izay manao hoe: « Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray »

Antony iray mahatonga antsika hiezaka amin’ny asa hoy Paoly dia ny mba hahafahana manampy ny hafa. Tsy hoe miasa isika mba hanangon-karena ho an’ny tena samirery; fa miasa isika mba ahafaha-manampy ireo izay mila izany.  Amin’i Paoly, tena mila miasa tokoa isika mba ho afaka hamaly izay filàn’ny tena, fa tsy izany ihany. Amin’ny maha-kristianina dia fototra tsy azo ialàna ny fanampiana ny hafa. Ambara eto fa mahasambatra mihitsy aza izany. Anisan’ny zavatra heverina fa mila ovana amin’ny toe-tsain’ny Malagasy ny fanabeazana ny taranaka ho amin’ny « individualisme ». Tokony hokolokoloina mandrakariva ny fanabeazana ny taranaka ny amin’ny fifanampiana sy ny fifampitsinjovana. Zavatra tokony halentika lalina ao an-tsain’ny taranaka ny hoe: « tsy velona ho an’ny tena isika, fa velona ho an’ny hafa », tsy miasa ho an’ny tena ihany, fa miasa ho an’ny hafa ihany koa. Jesoa raha teto amin’izao tontolo izao dia tena izany no toe-tsainy, niasa fatratra mba ho enti-manasoa ny hafa hatrany. Ny fitiavana tao Aminy dia nanosika Azy hihevitra ny hafa mandrakariva.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.