MOFON’AINA ZOMA 14 JANOARY 2022

1 Niandry dia niandry an’i Jehovah aho; ary nitodika nitsinjo ahy Izy ka nandre ny fitarainako. 2 Dia nampakatra ahy avy tao amin’ny lavaka fandringanana Izy, eny, tamin’ny fotaka mandrevo; ary nampitoetra ny tongotro teo ambony vatolampy Izy ka nampijoro ahy. 3 Ary nanisy fihiram-baovao teo am-bavako Izy, dia fideràna an’Andriamanitsika; maro no hahita sy hatahotra ary hatoky an’i Jehovah.4 Sambatra izay olona manao an’i Jehovah ho tokiny, ka tsy mivily ho naman’ny mpiavonavona na ny mpivadika ho amin’ny lainga.
SALAMO 40.1-4

MAMONJY AMIN’NY FAHORIANA NY TOMPO

Ity Salamo ity dia ahitana taratra fa voahodidina loza ny mpanoratra ka nitady famonjena tamin’ny Tompo . Tantarainy eto izay nataony sy ny nataon’Andriamanitra hamonjena azy .

1-Niandry dia niandry an’i Jehovah aho

« Niandry dia niandry an’i Jehovah aho... » (and 2a) .Ny hoe : « niandry » dia tsy midika ho nipetra-potiny fa voafaritra ao anatin’izany ny fitarainana fatratra amin’Andriamanitra , ny fanantenana ny famonjen’Andriamanitra .Tsy maintsy nisy fanantenana ny famonjen’Andriamanitra .Tsy maintsy nisy ny fiaretana sy faharetana tao anatin’izany , sady efa tsy nahita làlan-kaleha intsony ny mpanao Salamo fa nahatsiaro ho toy ny latsaka tao anaty lavaka fandringanana sy fotaka mandrevo .Izany hoe : tsy nanan-kery hamonjeny ny tenany intsony izy fa tsy maintsy mila famonjena . Amin’ny fotoana toy izany indrindra no isehoan’ny tena fahatokiana an’ Andriamanitra ka hiandrandrana famonjena avy Aminy.

2-Miditra an-tsehatra mamaha olana Izy

Toarian’ny fitarainany dia mijoro ho vavolombelon’ny famonjen’Andriamanitra ny mpanao Salamo ka mitantara izay nataon’ny Tompo taminy : na dia avo aza Izy dia niondrika ka nijery azy sady nihaino ny fitarainany.  « Ary nitodika nitsinjo ahy Izy ka nandre ny fitarainako » (and 2b), nisintona azy avy tao an-davaka lalina Izy, nampakatra azy avy tamin’ny fotaka mandrevo Izy ka nampijoro azy teo ambony vatolampy .Nasiany hira fiderana teo am-bavany. Raha mametraka ny fiainantsika eo am-pelatànan’ny Tompo isika ka manaiky ho tonga zanany amin’ny alalan’ny fanavotana nataon’i Jesoa Kristy, dia Izy no mamonjy sy manafaka antsika ary mandrindra ny làlana rehetra alehantsika ;

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.