MOFON’AINA ZOMA 14 SEPTAMBRA 2018

1 Jehovah ô, iza no hitoetra ao amin’ ny tabernakelinao? iza no honina ao an-tendrombohitrao masina?2 Izay mandeha tsy misy tsiny ary manao izay mahitsy, sady misaintsaina ny marina ny fony;3 Tsy manendrikendrika amin’ ny lelany, sady tsy manisy ratsy ny sakaizany, ary tsy manao izay hahafa-baraka ny namany,4 Tsy manaja ny ratsy fanahy, Fa manome voninahitra ny matahotra an’ i Jehovah; Tsy mivadika amin’ ny fianianany, na dia maningotra ny tenany aza,5 Sady tsy mampihana ny volany, na mandray kolikoly hanameloka ny marina, izay mitandrina izany dia tsy mba hangozohozo mandrakizay.
SALAMO 15 :1-5

EO AKAIKIN’ ANDRIAMANITRA

1-Ireo  izay masin-toetra 

Tsy  misy  tsiny  sy mahitsy  ary marina Andriamanitra . Isan’ny toetra  mampiavaka Azy ireo ka ilazana fa  masina Andriamanitra. Takiany  koa ny hitafian’ireo  zay  mivavaka Aminy ireo toetra ireo  (and 1). Ny fanekentsika ny  fitarihan’ny  Fanahy masina  no ananantsika  ireo  toetra  ireo. Afaka  ny hanohitra rahateo  izay tsy  mandeha tsy  misy  tsiny  sy  mahitsy  ary  mijoro  amin’ny fahamarinana.

2-Ireo  izay  marina amin’ny fifandraisany amin’ny hafa 

Mba hahatsara  ny fifandraisana amin’ny hafa  dia halavirina ny fanendrikendrehana, ny fikasana hanisy ratsy ny namana sy ny fanbalam-baraka ary  ny fisakaizana tsy  mba marina (and 3-4a). I Jesoa  rahateo  dia nampianatra antsika ho tia ny namantsika tahaka ny tenantsika. Raha marina ny fifandraisantsika amin’ny hafa dia tsy ho sahintsika ny hanao kolikoly.

3-Ireo  izay marina amin’ny ataony 

Sahia manao  fianianana  hanohitra  ny kolikoly, ka aza mivadika amin’ny teny nomena (and 4b)). Fadio ny  fitiavambola tafahoatra  fa fototry  ny ratsy rehetra izany  ka mety  hahatafalatsaka  amin’ny fanaovana kolikoly (and 5). Izay  manao ny marina sy marina amin’ny ataony  no mahatohitra  ny kolikoly.

Fanontaniana:

Nahoana no  misy  tsy  mahatana ny teny nomeny ny olona ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !