Mofon’aina – ZOMA 15 JIONA 2018

26 Raha misy manao azy ho mpivavaka, nefa tsy mamehy ny vavany, fa mamitaka ny fony, dia zava-poana ny fivavahan’ izany olona izany.27 Izao no fivavahana madio sady tsy misy loto eo anatrehan’ Andriamanitra Ray: ny mamangy ny kamboty sy ny mpitondratena amin’ ny fahoriany, sy ny miaro ny tena tsy hisy pentimpentina avy amin’ izao tontolo izao.
JAKOBA 1:26-27

NY TENA MPIVAVAKA MARINA

Melohin’ny mpanoratra ato amin’ity epistily ity ireo milaza tena ho mpivavaka kanefa tsy manao asa mifanaraka amin’ny finoany. Ny tena mpivavaka marina hoy izy dia :

1 – Mahafehy ny lelany

Singa kely monja eo amin’ny vatana ny lela. kanefa afaka hampidi-doza ny tena manontolo. Ny teny tsy voalanjalanja ataon’ny olona iray ao amin’ny Fiangonana dia mety hampisara-bazana ny rehetra. Izany indrindra no ilazan’ny mpanoratra hoe : « …Aoka ny olona rehetra halady hihaino, ho malai-miteny… » (Jak. 1:9) ; Tandremo mba tsy hanafintohina ny hafa no sady tsy hahameloka antsika eo anatrehan’ny Tompo ny teny rehetra aloaky ny vavantsika.

2-Mamangy ny kamboty sy ny mpitondratena

« Rain’ny kamboty sy mpanome rariny ny mpitondratena Andriamanitra, ao amin’ny fonenany masina. » (Sal. 68:5). Izay rehetra zanak’Andriamanitra dia tsy maintsy hanam-pitiavana ka hanao ho zava-dehibe ny fiahiana ireo kamboty tsy manan-dray. ny mpitondratena tsy manana vady, vahiny tsy manana hianteherana.

3-Miaro ny tenany tsy hisy pentipentina

Ny nanoloran’i Kristy ny tenany ho sorona ho an’ny Fiangonana dia ny mba hanadiovany sy hanamasinany azy tsy ho voaloto intsony « …Tsy misy pentipentina, na fikentronana… » (Efe. 5 : 27). Ny olona miaro ny tenany tsy hisy pentipentina avy amin’izao tontolo izao dia izay efa nandray an’i Jesoa ho Tompo sy mpamonjy azy.

Fanontaniana :

Ahoana ny fomba hifehezana ny teny aloaky ny vava ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !