MOFON’AINA ZOMA 15 MAY 2020

14 Fa izaho koa, ry rahalahiko, dia matoky ny aminareo fa feno fahatsarana ianareo sady mahay mifananatra koa. 15. Kanefa amin’ny fahasahiana no anoratako ny teny sasany aminareo, toy ny mampahatsiaro anareo indray noho ny fahasoavana nomen’Andriamanitra ahy, 16. mba ho mpanompon’i Kristy Jesoa ho an’ny jentilisa aho ka manao fanompoam-pivavahana amin’ny itoriako ny filazantsaran’Andriamanitra, mba horaisina amin’ny fankasitrahana ny fanatitra, dia ny jentilisa, rehefa nohamasinin’ny Fanahy Masina. 17. Ka dia manana izay hataoko rehareha ao amin’i Kristy Jesoa aho noho ny amin’Andriamanitra. 18. Fa tsy sahiko lazaina izay zavatra tsy nampanaovin’i Kristy ahy, na tamin’ny teny, na tamin’ny asa, mba hampanaiky ny jentilisa, 19. dia tamin’ny herin’ny famantarana sy ny fahagagana, ary tamin’ny herin’ny Fanahy Masina*, dia hatrany Jerosalema ka manodidina hatrany Ilyrikiona, no nahatanterahako ny fitoriako ny filazantsaran’i Kristy. [* Na: (Fanahin’Andriamanitra)] 20. Koa dia nataoko ho voninahitro ny hitory ny filazantsara toy izao: tsy eo amin’izay efa niantsoana an’i Kristy anefa, fandrao hanovona eo ambonin’izay efa naorin’ny sasany aho; 21. fa araka ny voasoratra hoe: Izay tsy nilazana Azy no hahita, Ary izay tsy nandre no hahafantatra (Isaia 52:15).
ROMANA 15 : 14-21

NY FOMBA MAHOMBY HITORIANA NY FILAZANTSARA

Ahoana moa ry Havana no ahatonga ny fitoriana ny filazantsara hahomby?
Miezaka mamaly izany fanontaniana izany Paoly eo amin’ny and 18,19 amin’izao mofonaina izao. Ambaran’i Paoly mazava tsara eo amin’ireo andininy ireo ny mahatonga ny Jentilisa hanaiky ny finoana sy ny filazantsara. Rehefa tena dinihina izany dia mizara roa mazava tsara

  1. Manao izay nasain’i Kristy natao TENY/ASA (and 18)

« Fa tsy sahiko lazaina izay zavatra tsy nampanaovin’i Kristy ahy, na tamin’ny teny, na tamin’ny asa, mba hampanaiky ny jentilisa »

Rehefa mihaino an’i Paoly isika dia mazava tsara fa misy zavatra nasain’i Kristy nataony. Izay nasain’i Kristy nataony no nataony, izay niantsoan’i Kristy no tanterahiny. Izany no ikelezany aina. Tsy manao zavatra ankoatra izay nasainy nataony Paoly araka ny teniny. Asehon’i Paoly amin’ny zavatra ambarany fa mifototra sy mifantoka amin’ny « mission » niantsoana azy izy. Ity asa niantsoan’i Jesoa azy ity moa dia ny fitoriana ny filazantsara amin’ny jentilisa. Apostolin’ny Jentilisa rahateo no iantsoany ny tenany.

Mampianatra antsika Paoly fa mahomby kokoa, mandresy lahatra kokoa isika amin’ny asa fitoriana ny filazantsara rehefa mifototra sy mifantoka amin’izay nasaina nampanaovina, amin’izay niantsoana marina. Samy manana izay niantsoana antsika isika rehetra, koa mifantoha amin’izay niantsoana, tanteraho tsara izay nampanaovina. Aza misalovana mihitsy, na manao ny anjaran’ny hafa. Ny an’ny tena tena hifantohana.

  1. Miara-miasa amin’Andriamanitra (and 19)

« Fa tsy sahiko lazaina izay zavatra tsy nampanaovin’i Kristy ahy, na tamin’ny teny, na tamin’ny asa, mba hampanaiky ny jentilisa, dia tamin’ny herin’ny famantarana sy ny fahagagana, ary tamin’ny herin’ny Fanahy Masina*, dia hatrany Jerosalema ka manodidina hatrany Ilyrikiona, no nahatanterahako ny fitoriako ny filazantsaran’i Kristy »

Ny fikelezan’aina nataon’i Paoly, rehefa niombonany tamin’Andriamanitra dia nahatonga ny jentilisa hanaiky ny finoana sy ny filazantsara. Midika izany fa izay miasa irery dia ho rera-poana raha tsy miara miasa amin’ny Tompo. Zavatra roa no fiaraha-miasa tamin’ny Tompo hita eto amin’izao mofonaina izao:

– Namarinin’Andriamanitra tamin’ny famantarana/fahagagana ny fitoriana notanterahin’i Paoly. Mba hahatonga finoana dia mila mahita maso mandrakariva ny olona, indrindra ireo Jentilisa vao manomboka mandre ny filazantsara. Neken’Andriamanitra ho hitan’ny jentilisa maso ny fahamarinan’ny zavatra notorian’i Paoly. Tanteraka ilay teny nataon’i Jesoa hoe: « Ary izao famantarana izao no hanaraka izay mino: hamoaka demonia amin’ny anarako izy; hiteny amin’ny fiteny izay tsy mbola hainy izy handray menarana izy; ary na dia misotro zava-mahafaty aza izy, dia tsy hampaninona azy izany; hametra-tanana amin’ny marary izy, dia ho sitrana ireny ».

– Noresen’Andriamanitra lahatra tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina ireo izay nandre. Izay ilay hoe « ary tamin’ny herin’ny Fanahy Masina ». Ny asan’ny Fanahy Masina no niasa tao amin’i Paoly sy izay nandre ka nahatonga fahombiazana izany. Tsy hanaiky ny finoana sy ny filazantsara mihitsy ny olona raha toa ka tsy miasa ao amin’izy ireo ny Fanahy Masina.Tsy misy fahombiazana amin’ny fitoriana ny Filazantsara raha tsy miara-miasa amin’ny Tompo ny mpitory Filazantsara. Vavolombelon’izany Paoly, fa afaka nitory filazantsara tamin’ny toerana maro be izy noho io fiaraha-miasan’ny Tompo taminy io. Aoka tsy hanadino ny hasarobidin’ny asan’ny Fanahy Masina arak’izao izay mikely aina mitory filazantsara. Rehefa manaiky hiara-miasa amin’ny Tompo amin’ny alalan’ny Fanahy Masina izy dia hahataona Fanahy maro hanaiky ny Tompo sy ny hino Azy.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.