Mofon’aina – Zoma 16 desambra 2016

18 Ary rehefa afaka telo taona, dia niakatra tany Jerosalema hamangy an’ i Kefasy aho ka nitoetra tao aminy dimy ambin’ ny folo andro.19 Nefa ny Apostoly sasany dia tsy nisy hitako afa-tsy Jakoba [Na: fa Jakoba kosa] , rahalahin’ ny Tompo.20 Ary izay zavatra soratako aminareo, indro, eo anatrehan’ Andriamanitra fa tsy mandainga aho.21 Rehefa afaka izany, dia tonga tany amin’ ny tany Syria sy Kilikia aho;22 ary tsy mbola fantatry ny fiangonana any Jodia, izay ao amin’ i Kristy, ny tarehiko.23 Fa nandre ihany izy hoe: Ilay mpanenjika antsika fahiny, indro izy ankehitriny mitory ny finoana izay noravany fahiny.24 Ary dia nankalazany an’ Andriamanitra aho.
GALATIANA 1 :18-24

« ARY DIA NANKALAZANY AN’ ANDRIAMANITRA AHO… »

Nanoratra taratasy ho an’ny fiangonana naoriny tany Galatia i Paoly satria tonga nihaino sy nanaraka fampianarana sandoka izy ireo. Niova ny sasany tamin’izy ireo ka tonga nanohitra ny fampianarana nentiny sy ny maha-Apostoly azy. Te-hamerina azy ireo indray izy, ary dia tantarainy eto ny làlana nizorany sy ny nahatonga azy ho Apostoly. Mijoro ho vavolombelona izy ankehitriny (and 20).

1-Izaho ilay mpanenjika fahiny (and 23a)

Tsy nahamenatra azy ny nanambara ho fantatry ny fiangonana ny tantaram-piainany taloha sy ny niantsoan’ ny Tomp azy. I Jesoa Kristy mihitsy no nanova ny fony. Ilaina ny mijoro ho vavolombelona eo anivon’ny fiangonana, kanefa aoka hazava fa ny tanjon’izany dia tsy ho fireharehana na ho fisehosehoana ivelany fotsiny fa ikendrena indrindra izay hanomezam-boninahitra an’ Andriamanitra ary koa hitaomana ny olona ho ao amin’i Kristy irery ihany.

2- Nitory ny finoana izay efa noravako aho (and 23)

Rehefa niova izy dia lasa mpitory ny Filazantsara.Nisalasala ny aminy sy ny maha- Apostoly ny sasany tany am-boalohany. Rehefa nasehony tamin’ny toriteniny anefa ny fiovampony dia resy lahatra ny olona ka nankalaza an’ Andriamanitra. Aoka hiseho amin’ny asa ny fiovampo izay ao anatintsika ho Voninahitr’ Andriamanitra.

Fanontaniana:

Afaka hijoro ho vavolombelon’ny Tompo ve ianao?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.Amen !