Mofon’aina – ZOMA 16 JONA 2017

23 Dia hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Nihafohy va ny tànan’ i Jehovah? ankehitriny dia ho hitanao na ho tanteraka aminao ny teniko, na tsia.24 Dia nivoaka Mosesy ka nilaza ny tenin’ i Jehovah tamin’ ny olona; dia nanangona fito-polo lahy tamin’ ny loholon’ ny firenena izy ka nampitoetra azy manodidina ny trano-lay.25 Ary nidina teo amin’ ny rahona Jehovah ka niteny taminy, dia nangalany ny Fanahy izay tao amin’ i Mosesy ka napetrany tao amin’ ny loholona fito-polo lahy; ary raha mbola nitoetra tao aminy ny Fanahy, dia naminany izy, nefa tsy nanao intsony.26 Fa nisy roa lahy nijanona teo an-toby, Eldada no anaran’ ny anankiray, ary Medada no anaran’ ny anankiray; ary ny Fanahy nitoetra tao aminy; ary isan’ izay voasoratra izy roa lahy, nefa tsy mba nankeo amin’ ny trano-lay; dia naminany teo an-toby izy roa lahy.27 Ary nisy zatovo nihazakazaka, dia nilaza tamin’ i Mosesy ka nanao hoe: Eldada sy Medada maminany etsy an-toby.28 Dia namaly Josoa, zanak’ i Nona, izay nanompo an’ i Mosesy hatry ny fony tanora, ka nanao hoe: Ry Mosesy, tompoko, rarao izy roa lahy.29 Fa hoy Mosesy taminy: Izaho va no ialonanao? enga anie ka ho mpaminany avokoa ny olon’ i Jehovah rehetra, ka halatsak’ i Jehovah aminy ny Fanahiny!
NOMERY 11 :23-29

MANOME NY FANAHINY  NY  TOMPO

1-Amin’ny olomboafidiny

Mifidy  ny mpiara-manompo  amin’i Mosesy i Jehovah. Ireo loholona  nantsoin’i  Mosesy  tamin’Israely  no nomeny ny Fanahiny. Tsy  ny olona  rehetra  tamin’izany  no omen’ny Tompo ny Fanahy Masina  fa ny mpitarika ny  fiangonana tamin’izany. Malalaka  amin’ny fanomezany ny Tompo. Teo   an-toby  no nanomezany azy ny Fanahy Masina  ho an’ireo fitipolo lahy, fa misy koa  tany  amin’ny trano  na ny lay  nisy azy dia i Eldada sy  Medada. Malalaka  amin’ny fomba fiasany Andriamanitra  fa tsy azontsika  faritana sy ferana. Tsy  azon’i Josoa ny hevitry ny Tompo ka nanome tsiny an’i Mosesy izy (and 28).

2-Amin’ny mpaminany 

Rehafa  miatrika  olana  i Mosesy  dia manome  vaha-olana   ny Tompo. Omena  mpaminany hiara-manompo  aminy i Mosesy. Ny mpaminany  dia mpitondra ny Tenin’ Andriamanitra. Mpitarika ny israely hanao ny sitrapon’ Andriamanitra, antsoina  ihany koa hoe : « mpanompon’ny Tenin’ Andriamanitra » izy, tsy vitan’ny olona iray ny mitarika olona ho amin’ Andriamanitra sy mitondra azy ho any Kanana, mampitombo isa  ny mpaminany hanampy an’i Mosesy  hampianatra sy hampita  ny Teniny sy hitopndra vahaolana eo amin’ny vahoakan’ Andriamanitra. Teny fikasany ny hanome ny Fanhiny ho an’ny olona rehetra mino Azy (and 29).

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !