MOFON’AINA ZOMA 17 APRILY 2020

25 Kanefa raha izaho, dia fantatro fa velona ny Mpanavotra ahy, Ka hitsangana any am-parany eo ambonin’ny vovoka Izy. 26 Ary rehefa levona ny hoditro, izao simba izao, Sady afaka amin’ny nofoko aho, dia hahita an’Andriamanitra; 27 Eny, izaho no hahita Azy, Ary ny masoko no hijery, fa tsy olon-kafa. Efa matim-paniriana ny saiko ato anatiko. 28 Raha hoy hianareo: Andeha hanenjika azy fatratra isika. Fa hita ao anatiny ny fototry ny mahameloka azy, 29 Dia matahora ny sabatra hianareo; Fa ny fahatezerana dia heloka mendrika ny hovalian-tsabatra, Mba ho fantatrareo fa misy fitsarana.
JOBA 19 : 25-29

NY FINOAN’I JOBA OHATRY NY FINOAN’NY OLONA AO ANATY FAHORIANA MIHATRA AMAN’AINA

Ny bokin’ny Joba dia anisan’ny voasokajy ao anatin’ny Bokim-pahendrena ao amin’ny Testamenta Taloha. Boky tononkira rahateo izy na boky maneho ny literatiora sy Riba Jiosy. Rehefa tena dinihina tsara ny boky dia ny resaka nifanaovan’i Joba sy ireo namany telo lahy no betsaka ao amin’ny Boky. Ireo namany telo lahy izay ambaran’ny Joba 2 :11-13 fa rehefa nahare ny fahoriana nahazo an’i Joba dia tonga hitsapa alahelo sy hampionona an’i Joba.

Ny mofonaina anio dia valin-tenin’i Joba tamin’i Bildada izay niteny mafy an’i Joba. Amin’ity namany ity mantsy dia ratsy fanahy Joba, ary izany haratsiam-panahiny izany no mahatonga an’i Joba ho azom-pahoriana toa izao. Rehefa tena tomorina izay ambarany dia mampianatra an’i Joba izy ny amin’ny famaizana azon’izay ratsy fanahy. Mafy dia mafy tokoa ny tenin’ity namany ity, izay raha ny marina tsy tonga nampionona fa tonga manao teny mahery izay tsy zakan’i Joba aza. Anisan’ny teny mahery nataony ohatra ny hoe ho faty Joba noho ny haratsiam-panahiny, ary feno fandrika ny lalan’ny ratsy fanahy ka ho tratran’izany Joba raha tsy miala amin’ny faharatsiam-panahiny. Tsy mijanona amin’ny fiainana ety an-tany ihany ny sazin’ny ratsy fanahy hoy Bildada fa hohadinoina mihitsy izy rahatrizay. Teo anatrehan’izany teny mahery nataon’i Bildada izany no namaly Joba ary famaranana izany teny nataony izany izao mofonaina izao.

  1. Hisy rahalahy hitsangana hiaro azy eo anatrehan’ny fitsaran’Andriamanitra (and 25)

« Kanefa raha izaho, dia fantatro fa velona ny Mpanavotra ahy, Ka hitsangana any am-parany eo ambonin’ny vovoka Izy »

Tsy ho afa-hiaro tena eo anatrehan’ny fitsaran’Andriamanitra Joba na dia marina aza. Tsy ho afa-hanamarin-tena ihany koa izy eo anatrehan’Andriamanitra. Noho izany dia mino izy fa hisy Mpanavotra hitsangana hiaro azy. Ny teny hoe mpanavotra teo amin’ny sivilizasiona tranainy dia ho enti-milaza rahalahy iray izay mitsangana mba (1) hanavotra amin’ny geja sy ny fanandevozana, (2) hanambady ny vadin’ny lehilahy tsy miteraka, (3) mamaly ny rà nalatsaka. Izany hoe tena mamonjy amin’izay tsy ahafahana manoatra. Mino Joba fa hisy rahalahy hijoro amin’izay fotoana hisehoany eo anatrehan’Andriamanitra ka hiaro azy, hijoro hanambara amin’Andriamanitra ny fahamarinany. Toa te hiteny amin’i Bildada izy hoe, tena tsy afaka hijoro hanamarin-tena eo anatrehan’Andriamanitra tokoa aho fa mino fa hisy anao izany ho azy. Fampianaran’i Joba an’i Bildada izany fa hisy hiaro eo anatrehan’Andriamanitra ny marina.

Efa hita soritra sahady eto amin’izao mofonaina izao ny asa fanompoan’i Jesoa Kristy izay hiaro ny mino, hiaro izay rehetra miezaka manao ny marina eo anatrehan’Andriamanitra. Fa raha dinihina kokoa aza ny Soratra Masina, ny Testamenta Vaovao dia lasa lavitra kokoa ka milaza mazava tsara fa noho ny amin’i Jesoa dia hamarinin’Andriamanitra isika. Izany no hatao hoe fahasoavana.

Miezaha ho marina mandrakariva ry havana, fa hahazo tombony kokoa isika eo amin’ny fitsaran’Andriamanitra, hijoro eo Jesoa hiaro antsika, hanambara amin’Andriamanitra ny maha-ao Aminy antsika.

  1. Ho velona ka hahita an’Andriamanitra izy aorian’ny fahafatesana (and 26,27)

« Ary rehefa levona ny hoditro, izao simba izao, Sady afaka amin’ny nofoko aho, dia hahita an’Andriamanitra; 27 Eny, izaho no hahita Azy, Ary ny masoko no hijery, fa tsy olon-kafa. Efa matim-paniriana ny saiko ato anatiko »

Rehefa mamaky izay ambaran’i Bildada isika ao amin’ny Joba 18 dia tsy ho tsaroana Joba noho ny haratsiam-panahiny. Amin’ny Joba kosa anefa dia ho velona izy noho ny fahamarinany ka hahita an’Andriamanitra rahatrizay miala ety. Ny fahamarinan’i Joba no miantoka ny ahitany an’Andriamanitra rahatrizay miala eto amin’izao tontolo izao. Rehefa tena dinihina tsara ny resaka nifanaovan’i Joba tamin’ireto namany ireto dia toy ny olona tsy mifampihaino izy ireo. Ary dia tena naseho mihitsy fa tsy mifandray ny resak’izy ireo indraindray.

Efa hita soritra sahafy eto amin’izao tenin’i Joba izao ny fisian’ny fiainana mandrakizay ho an’ny olo-marina. Efa hita tsikelikely fa misy fiainana miandry izay rehetra niezaka nanao ny marina ao amin’Andriamanitra. Rehefa mandinika tsara ny Testamenta Vaovao isika dia marina izany. Noho ny fanavotana nataon’i Jesoa Kristy dia tonga mahazo fiainana mandrakizay ny olona, indrindra ireo izay mino. Noho ny amin’i Jesoa dia tonga misitraka fiainana mandrakizay ny mino. Jesoa rahateo efa nilaza fa hanome fiainana be dia be.

Raha ao anaty fahoriana toa an’i Joba isika noho ny amin’ny fijoroana amin’ny fahamarinana, raha ao anaty fahoriana noho ny asan-demonia izay miezaka manaisotra antsika amin’ny fahamarinana, manàna finoana toa an’i Joba, meteza hino fa hanana rahalahy (Jesoa) hiaro antsika eo amin’ny fitsaran’Andriamanitra ka hanome antsika ny fiainana mandrakizay ho valin’ny fiaretantsika fahoriana noho ny Aminy.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.