MOFON’AINA ZOMA 17 JOLAY 2020

10 Mihainoa ny tenin’i Jehovah, hianareo jentilisa, Ary torio any amin’ny tany amoron-tsiraka any lavitra any izany, Ka ataovy hoe: Izay nampiely ny Isiraely no hanangona azy indray Sady hitandrina azy toy ny fitandrin’ny mpiandry ondry ny ondriny. 11 Fa Jehovah efa nanavotra an’i Jakoba Sy efa nanafaka azy tamin’ny tànan’ny mahery noho izy. 12 Ka dia ho avy ireny ka hihoby ao amin’ny havoan’i Ziona, Dia hitanjozotra ho any amin’ny zava-tsoan’i Jehovah, Dia ny vary sy ny ranom-boaloboka sy ny diloilo sy ny zanak’ondry ary ny zanak’omby; Ary ny fanahiny ho toy ny tanimboly vonton-drano, Ka tsy hihamalazo intsony. 13 Ary amin’izany dia ho faly amin’ny fandihizana ny virjina Mbamin’ny zatovo sy ny antitra koa; Fa hampodiako ho fifaliana ny fitomaniany, Ka hampiononiko sy hampifaliko izy ho afaka alahelo. 14 Dia hovokisako zava-matavy ny fanahin’ny mpisorona, Ary ny oloko ho voky ny zava-tsoako, hoy Jehovah.
JEREMIA 31 : 10-14

ASAIN’ANDRIAMANITRA MITORY TENY SOA MAHAFALY NY JENTILISA

Ny bokin’ny mpaminany, indrindra ireo izay naminany tany am-pahababoana dia naminany ka nanambara ny maha-Tsitoha an’Andriamanitra. Babo tany Babylona ny Zanak’Isiraely ka tena kivy, ketraka, nisy aza moa namoy fo mihitsy noho ny fahababoana. Eto amin’izao mofonaina izao, ho fampaherezana sy ho famelomana ny fanantenan’ny Zanak’Isiraely dia ampiasain’Andriamanitra ny jentilisa hitory teny soa mamelona fanantenana ho azy ireo. Ny fampiasan’Andriamanitra ny jentilisa dia maneho fa Andriamanitra manana fahefana amin’ny olona rehetra ny Tompo ka mampiasa izay tiany hampiasaina hitory ny teniny. Ireto no teny nasain’ny Tompo notorian’ny jentilisa

  1. Teny fampodiana (and 10)

« Mihainoa ny tenin’i Jehovah, hianareo jentilisa, Ary torio any amin’ny tany amoron-tsiraka any lavitra any izany, Ka ataovy hoe: Izay nampiely ny Isiraely no hanangona azy indray Sady hitandrina azy toy ny fitandrin’ny mpiandry ondry ny ondriny »

Izao tenin’Andriamanitra izao dia mampahatsiaro fa Andriamanitra no nandefa babo ny Jiosy tany Babylona, ary Izy Andriamanitra ihany no hanaisotra azy ireo amin’ny fahababoana. Ary rehefa miverina avy amin’ny fahababoana dia hotandreman’Andriamanitra fatratra toy ny fitandreman’ny mpiandry ondry ny ondriny. Tena fanomezan-toky izao fa efa tonga ny fotoana fanafahan’Andriamanitra ny vahoakany amin’ny fahababoana izay mampahory azy. Tsy avelan’Andriamanitra hitoetra ela ao anatin’ny fahorian’ny fahababoana ny vahoakany. Teny fanomezan-toky ho antsika koa izany ankehitriny fa hanafaka antsika amin’izay mety ho endriky ny fampahoriana maro ny Tompo.

  1. Teny fampaherezana (and 11)

« Fa Jehovah efa nanavotra an’i Jakoba Sy efa nanafaka azy tamin’ny tànan’ny mahery noho izy »

Ny fanafahana ny Jiosy tany am-pahababoana dia tsy tokony hohadinoina fa tena asan’Andriamanitra madiodio. Tsy manana ny hery ho enti-manafaka ny tenany tany mantsy ny Jiosy. Mahery noho izy ireo ny Babyloniana. Noho izany dia tsy maintsy miditra an-tsehatra Andriamanitra manafaka azy ireo amin’izany. Andriamanitra dia ambaran’ny Soratra Masina eto fa mbola mahery noho ny Babylonianina. Teny fampaherezana izao fa na dia mahery toy ny inona aza izay mpampahory ny vahoakan’Andriamanitra, tsy misy mahasakana an’Andriamanitra rehefa hiasa hanafaka ny vahoakany Andriamanitra. Teny fanomezan-toky ho antsika amin’ny fotoana ankehitriny koa izany, na mahery toy ny inona aza ny aretina sy ny olana samihafa, rehefa hampiasa ny heriny Andriamanitra, tsy misy mahasakana izany.

  1. Teny fampanantenana (and 12-14)

« Ka dia ho avy ireny ka hihoby ao amin’ny havoan’i Ziona, Dia hitanjozotra ho any amin’ny zava-tsoan’i Jehovah »

Rehefa hanafaka ny Jiosy amin’ny fahababoana ny Tompo dia mampanantena eto fa hamerina ny fiainan’izy ireo amin’ny laoniny. Hiverina amin’ny laoniny ny fiainan’izy ireo ka handeha hiverina any Jerosalema, ary rehefa miverina any dia hisitraka ny zava-tsoa omen’Andriamanitra azy ireo. Teny fampanantenana izao fa ilay Andriamanitra mampody dia mihevitra izay hahavelona ny vahoakany. Ao anatin’izao toe-draharaha manahirana eto amin’ny firenena izao, dia mampanantena Andriamanitra fa hamerina amin’ny laoniny ny fiainantsika, hanome antsika izay rehetra ho enti-mivelona. Koa aoka tsy ho be fanahiana isika, aoka tena hatoky tanteraka izany teny fampanantenana izany.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.