Mofon’aina – ZOMA 17 NOVAMBRA 2017

33 Jehovah ô, toroy ny lalan’ ny didinao aho; Dia hotandremako hatramin’ ny farany izany.34 Omeo fahalalana aho mba hitandrina ny lalànao; Eny, hitandrina azy amin’ ny foko rehetra aho.35 Ampandehano amin’ ny lalan’ ny didinao aho; Fa izany no sitrako.36 Amporisiho ny foko ho amin’ ny teni-vavolombelonao, Fa tsy ho amin’ ny fieremana.37 Avilio ny masoko tsy hijery zava-poana; Velomy amin’ ny lalanao aho.38 Tovy ny teninao amin’ ny mpanomponao, Izay matahotra Anao indrindra.39 Esory ny fahafaham-baraka, izay atahorako; Fa tsara ny fitsipikao.40 Indro, manina ny didinao aho, Velomy amin’ ny fahamarinanao.
SALAMO 119 :33-40

Ny Salamo  119  dia maneho  ny fankalazan’ny  mpino ny Tenin’ Andriamanitra. Io Tenin’ Andriamanitra io rahateo  no maneho  ny fifandraisana  lalina  sy maharitra eo  amin’ Andriamanitra sy ny  mpino. Fifandraisana  roa lafy  no  hita  eto, ka misy  ny :

1-Anjaran’ Andriamanitra 

Ny tapany voalohany  isaky  ny andininy dia mitodika  hatrany amin’ Andriamanitra. Ambara  fa Andriamanitra  no Tompon’ny  Teny  . Koa mitodina Aminy ny mpanompony. Samy entina ilazana  io teny io  avokoa na didy  na lalàna na lalàn’ny didy na tenin’ny vavolombelona, na fitsipika . Manana anjara  amin’ny fifandraisan’ny  mpino  amin’ Andriamanitra ny  Soratra Masina. Ny vavaka no hifandraisantsika Aminy fa ny Teniny  kosa no hitenenany amintsika. Koa omeo anjara toerana lehibe ny Soratra masina hampitohy  hatrany  ny fifandraisana .

2-Anjaran’ny olombelona 

Ny  tapany faharoa  isaky ny andininy  kosa dia maneho  fahavononana feno  avy  amin’ny mpino amin’ny fanarahana izay ambaran’ny Soratra Masina. Ny  fitozoana hatramin’ny farany  amin’ny fankatoavana ny ambaran’ny Soratra masina no miantoka ny famonjena  ho an’ny mpino rahatrizay. Eo am-piandrasana ny fiavian’ny Tompo  dia tarihina isika tsy hamaky  na hihaino  fotsiny  ny  Soratra masina fa ho  mpankato  izany  , satria   ndrao  hamitaka  ny tena , hoy i Jakoba 1 :22 .

Fanontaniana :

Inona no fihetsika ataonao  rehefa misy  manenjika anao ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !