MOFON’AINA ZOMA 17 SEPTAMBRA 2021

18 Fa Kristy koa aza efa nijaly indray mandeha noho ny ota, ny Marina hamonjy ny tsy marina, mba hitondra antsika ho amin’ Andriamanitra, ka novonoina tamin’ ny nofo, fa novelomina tamin’ ny fanahy,19 izay nandehanany sy nitoriany teny tamin’ ireo fanahy tao an-trano-maizina,20 dia izay tsy nanaiky fahiny, fony niandry ny fahari-pon’ Andriamanitra tamin’ ny andron’ i Noa, raha mbola namboarina ny sambo-fiara, izay nidiran’ ny olona vitsy, dia izy valo mianaka, ka dia namonjena azy ny rano,21 izay mamonjy anareo koa ankehitriny, dia ny batisa, izay tenan’ io tandindona io,-tsy ny fanesorana ny fahalotoan’ ny nofo anefa, fa ny fitadiavana ny fieritreretana tsara eo anatrehan’ Andriamanitra, amin’ ny nitsanganan’ i Jesoa Kristy tamin’ ny maty,22 Izay eo amin’ ny tanana ankavanan’ Andriamanitra; fa efa lasa ho any an-danitra Izy ka efa nampanekena Azy ny anjely sy ny fahefana ary ny hery.
1 PETERA 3 :18-22

Araka ny voalazan’i Petera eto, ny batisa dia avy amin’izay nataon’i Jesoa Kristy ho an’ny olona indrindra. Voalaza ao amin’ny and 21 hoe : ny batisa izay namonjena ny olona dia tenan’ny tandindona io ihany , izany hoe: i Jesoa no natao batisa ary koa namela izany batisa izany ho an’ny olona ka hahatonga ny olona hisitraka izay zava-tsoa sy fiainana aterak’izany fanaovana batisa izany . Ny fanehoan-kevitra ataon’i Petera mpanoratra moa eto dia toy ny fitombokase apetaka amin’ny taratasy izany ka mamela amin’ny taratasy ny sarin’ilay fitomboka ary mitovy tanteraka amin’ilay fitomboka mihitsy Ampiainana ny batisa miaraka amin’i Jesoa àry izany ny mpino Azy ka aoka tsy ho fahazarana na ho fahataitairana fotsiny ihany ny fanaovana batisa.

Mariky ny fahafatesana ny batisa

Ny sary anankiray ilazana ny batisa eto dia mariky ny fahafatesana ary i Jesoa Kristy mihitsy no naneho izany sy nilaza fa hihatra Aminy rahateo izany noho ny fitiavany sy ho famonjeny ny olona (jereo Mar 10 :38 ; Lio 12 :50). Ny olona rehetra atao batisa izany raha mpanara-dia an’i Jesoa Kristy tokoa dia efa maty ihany koa satroa izay no sary entin’ny batisa. I Paoly ihany koa dia maneho izany (Jereo Rom 6 :3) ka milaza fa tsy maintsy maty mandevona ny fahotany ny olona ao amin’ny batisa.

Mariky ny fahavelomana koa ny batisa

I Jesoa nandresy ny fahafatesana anefa dia mampandresy izay atao batisa ao Aminy ka mandevona ny fahotany ary manome fiainam-baovao azy kosa.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.