MOFON’AINA ZOMA 18 JONA 2021

3 Fa noho ny fahasoavana nomena ahy dia izao no lazaiko amin’ ny olona rehetra izay eo aminareo: Aza miavonavon-kevitra ka mihevitra mihoatra noho izay tokony hoheverina; fa mihevera izay onony araka ny ohatry ny finoana izay nozarain’ Andriamanitra ho anareo avy.4 Fa toy ny ananantsika zavatra maro momba ny tena iray, nefa tsy mitovy asa izay rehetra momba ny tena,5 dia toy izany koa isika, na dia maro aza, dia tena iray ihany ao amin’ i Kristy, ary samy miara-momba ny tena isika rehetra.6 Ary satria samy manana fanomezam-pahasoavana samy hafa isika, araka ny fahasoavana izay nomena antsika: raha faminaniana, dia aoka hatao araka ny ohatry ny finoana;7 raha fanompoana amin’ ny fiangonana, dia aoka ho amin’ ny fanompoana; raha mampianatra, dia aoka ho amin’ ny fampianarana;8 raha mananatra, dia aoka ho amin’ ny fananarana; izay manome, dia aoka ho amin’ ny fahatsoram-po; izay manapaka, dia aoka ho amin’ ny fahazotoana; izay mamindra fo, dia aoka ho amin’ ny fifaliana.
ROMANA 12 : 3-8

NY MPINO AO ANATY FIARAHA-MONINA.

« Mananatra »:

 Raha fananarana dia aoka ho amin’ny fananarana hoy i Paoly. Maro tokoa ny anatra ataon’ny olona, ny ataon’ny ray aman-dreny amin’ny zanaka ohatra. Ireny dia miainga amin’ny lamina napetraky ny fiaraha-monina. Fa izay ambaran’i Paoly kosa dia ny fiainana sy fizarana ny Tenin’Andriamanitra ho tafatoetra ao am-pon’ny mpihaino ka hahatonga azy hino sy hanam-paniriana hankato ary hanolo-tena ho an’Andriamanitra.

« Manome »:

Raha manome dia ho amin’ny fahantsora-po. Fa efa andron’ny fitiavan-tena izao vanim-potoana hiainan-tsika izao. Sarotra amin’ny olona ankehitriny izany hoe manome ka tsy misy tambiny andrasana. Raha amin’ny maha Kristiana dia ny fo manolotra no mibaiko ny fanolorana fa tsy mijery izay atolotra sy ho tolorana satria Ny Tompo dia mijery ny fontsika (vakio Mat 12 :44). Fa ny haben’ny fitiavana tao am-pon’I Jesoa no nanolorany ny tenany hamonjy antsika ka izany no tokony hanolorantsika ny tsara ho amin’ny asany.

« Manapaka »:

Ny hoe manapaka dia andraikitra iray omen’Andriamanitra ahafahana mitantana sy mandrindra ireo asa maro. Tena tsara sy mety indrindra raha ny kristiana no manana anjara toerana amin’ny fanapahana, tsy ao am-piangonana ihany fa eo amin’ny fiaraha-monina sy firenena mihitsy aza. Raha ny olona tsy manam-pahendrena no mitana ny toeran’ny mpitantana dia zava-doza no hanjo ny tany ama-monina. Manafatra Paoly fa tokony hatao amin’ny fahazotoana izany fa tsy amin’ny fitadiavam-boninahitra, fa ny voninahitra dia an’Andriamanitra irery ihany ( vakio Efe.4 :11-12)

« Mamindra fo »:

Ny famindram-po dia tena asan’Andriamanitra tokoa. «  Isaorana anie Andriamanitra, Rain’I Jesoa Kristy Tompontsika Rain’ny Famindram-po sady Andriamanitry ny fampiononana rehetra » (2Kor. 1:3). Koa ny famindram-po dia fanaon’ny zanak’Andriamanitra rehetra. Ny fifanenjehana sy ny fifamonoana no manjaka amin’izao. Isika Kristiana no andrasan’Andriamanitra haneho izany famindram-po izany.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.