Mofon’aina – ZOMA 18 MAI 2018

19 Hoy ravehivavy taminy: Tompoko, hitako fa mpaminany Ianao.20 Ny razantsika nivavaka teto amin’ ity tendrombohitra ity; fa ianareo kosa milaza fa any Jerosalema no tokony hivavahana.21 Hoy Jesosy taminy: Ravehivavy, minoa Ahy, fa avy ny andro ka tsy amin’ ity tendrombohitra ity, na any Jerosalema aza, no hivavahanareo amin’ ny Ray.22 Ianareo mivavaka amin’ izay tsy fantatrareo; izahay kosa mivavaka amin’ izay fantatray, satria avy amin’ ny Jiosy ny famonjena.23 Fa avy ny andro, sady tonga ankehitriny, raha ny tena mpivavaka hivavaka amin’ ny Ray amin’ ny fanahy sy ny fahamarinana; fa ny Ray koa mitady ny mpivavaka Aminy ho tahaka izany.24 Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka Aminy tsy maintsy mivavaka amin’ ny fanahy sy ny fahamarinana.
JAONA 4 : 19-24

« Andriamanitra dia Fanahy, ary izay mivavaka Aminy dia tsy maintsy mivavaka amin’ny Fanahy » (and.24)

NY FIVAVAHANA AMIN’ANDRIAMANITRA

1- Fivavahana amin’nv toerana rehetra.

Manerana ny toerana rehetra Andriamanitra, satria Fanahy Izy. Nandresy lahatra ilay vehivavy Samaritana momba izany i Jesoa. Nihevitra ny Samaritana fa tao amin’ny tendrombohitr’i Gerizima izay toeram-pivavahan-dry zareo ihany no tena izy, ary saro-piaro tamin’izany ny Samaritana. Namaly azy i Jesoa fa ho avy ny andro ka sady tsy eo amin’ilay tendrombohitra, no tsy any Jerosalema izany, satria hirahina ny Fanahy. ary Andriamanitra dia Fanahy ka manerana ny toerana rehetra. Izany no tsy anaovantsika kristiana fivahiniana masina any Jerosalema, na dia nateraka ho Jiosy aza i Jesoa. Azo atao toeram-pivavahana ny toerana rehetra. satria « Andriamanitra dia Fanahy ».

2-Fivavahana omban’ny fitarihan’nv Fanahy

«. ..Izay mivavaka Aminy dia tsy maintsy mivavaka amin’ny Fanahy…» Ny hevitra iray fonosin’izany dia hoe : Izay mivavaka amin’Andriamanitra Fanahy dia mivavaka amin’ny fitarihan’ny Fanahy. Ny fivavahana sy vavaka tsy eo ambany fitarihan’nv Fanahy dia zary fivavahana ara-pomba ihany ; vavaka isehoana sy am-pahazarana ka mety mivaona amin’ny tsy izy, na ho vavaka vonjy tavan’andro ka fidifidiana ho amin’ny fotoana miavaka ihany no mandeha miangona : Batisan’ny fianakaviana, mariazy, Krismasy sy ny andro miavaka. Raha mbola izany no fanaontsika dia miovà, fa tsy maintsy mivavaka araka ny fitarihan’nv Fanahy isika.

Fanontantana :

Moa takatrao ve ny atao hoe : mivavaka amin ‘ny Fanahy ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !