MOFON’AINA ZOMA 19 FEBROARY 2021

14.Nanoratra taminareo ray aho, satria efa nahalala Ilay hatramin’ny voalohany ianareo. Nanoratra taminareo zatovo aho, satria mahery ianareo, ary mitoetra ao anatinareo ny tenin’Andriamanitra, sady efa naharesy ilay ratsy ianareo. 15. Aza tia izao tontolo izao, na izay zavatra eo amin’izao tontolo izao. Raha misy olona tia izao tontolo izao dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray. 16. Fa ny zavatra rehetra eo amin’izao tontolo izao, dia ny filan’ny nofo sy ny filan’ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao, dia tsy avy amin’ny Ray, fa avy amin’izao tontolo izao ihany. 17. Ary mandalo izao fiainana izao sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.
1 JAONA 2 :14-17

NY OLONA MANANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA

1-Manaiky an’Andriamanitra Ilay mandrakizay

« nanoratra taminareo ray aho, satria efa nahalala ilay hatramin’ny voalohany ianareo » (and 14 a)

Ampiasain’i Jaona ny sikajin-taona (ny ray, ny zatovo, ny ankizy ao amin’ny ankohonana entina ilazana ny fitomboana ara-pinoana. Manomboka amin’ny fahazazana, mandalo amin’ny fahatanorana ary tonga olon-dehibe amin’ny finoana. Ny fahalehibiazana ara-pinoana avy amin’ny Tenin’Andriamanitra dia ny fahatongavana amin’ny fahalalana an’Andriamanitra. Tokana amin’ny fahafenoany tsy manam-pahataperana sy mandrakizay. Tsy avy hatrany dia lehibe amin’ny finoana ny olona fa misy dingana arahina miandalana mba hitomboana amin’ny finoana ny olona fa misy dingana arahina miandalana mba hitomboana amin’ny finoana an’ Andriamanitra Ray amin’ny alalan’i Jesoa Kristy

2-Mandresy ny faharatsiana

« …mahery ianareo ary mitoetra ao anatinareo tenin’Andriamanitra, sady efa naharesy ilay ratsy… » ( and.14)

Ny tenin’Andriamanitra dia tsy tokony hijanona hatreo amin’ny fahalalana ihany fa tokony hitoetra ao antsaina sy ao am-pon’ny mino mba hahazoana mitondra ny fiainana mifanaraka ny sitrapon’Andriamanitra, ahazoana hery enti-mandresy ny ratsy, dia izao tontolo izao sy ny filan’ny maso ary ny filan’ny nofo izany. Ny olona manana ny tenin’Andriamanitra, dia Ilay Jesoa Kristy tonga nofo, ihany no manana hery entina miady sy mandresy ny herin’ny faharatsiana amin’ny endriny maro samihafa. Koa raha hiady amin’ny herin’ireo karazana faharatsiana sy filana isan-karazany ianao dia tehirizo ny tenin’Andriamanitra hampandresy anao amin’izany.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.