MOFON’AINA ZOMA 19 JOLAY 2019

1 Paoly, Apostolin’ i Kristy Jesoa noho ny sitrapon’ Andriamanitra, mamangy ny olona masina any Efesosy, izay mahatoky ao amin’ i Kristy Jesoa:2 ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’ Andriamanitra Raintsika sy Jesoa Kristy Tompo.3 Isaorana anie Andriamanitra, Rain’ i Jesoa Kristy Tompontsika, Izay nitahy antsika tao amin’ i Kristy amin’ ny fitahiam-panahy rehetra any an-danitra,4 araka ny nifidianany antsika tao aminy, fony tsy mbola ary ny fanorenan’ izao tontolo izao, mba ho masina sady tsy misy tsiny eo anatrehany isika,5 rehefa notendreny rahateo amin’ ny fitiavana isika mba ho Azy amin’ ny fananganan-anaka amin’ ny alalan’ i Jesoa Kristy, araka izay ankasitrahan’ ny fony,6 ho fiderana ny voninahitry ny fahasoavany, izay nanasoavany antsika maimaimpoana ao amin’ ny Malala.7 Izy no ananantsika fanavotana amin’ ny ràny, dia ny famelana ny fahadisoantsika, araka ny haren’ ny fahasoavany,8 izay nataony be ho antsika tamin’ ny fahendrena sy ny fisainana rehetra,9 rehefa nampahafantariny ny zava-miafina ny amin’ ny sitrapony isika, araka ny safidiny izay nokasain’ ny tenany,10 hahatanterahany ny fitondrana hatao mandra-pahatapitry ny andro voatendry, hanangonany ny zavatra rehetra ho iray ao amin’ i Kristy, na ny any an-danitra, na ny etỳ an-tany, dia ho ao aminy;11 ao aminy koa no nanaovana antsika ho lovany, rehefa notendrena rahateo isika araka ny fikasan’ izay mahefa ny zavatra rehetra araka ny ankasitrahan’ ny fony,12 mba ho fiderana ny voninahiny izahay, izay nanantena an’ i Kristy rahateo.13 Ao aminy koa ianareo, rehefa renareo ny tenin’ ny fahamarinana, dia ny filazantsara famonjena anareo,- eny, ao aminy koa ianareo, rehefa nino, no nasiana tombo-kase tamin’ ny Fanahy Masina araka ny teny fikasana.14 Izany Fanahy izany no santatry ny lovantsika ho amin’ ny fanavotana ny olona izay nalainy ho an’ ny tenany, ho fiderana ny voninahiny.
EFESIANA 1 :1-14

JESOA KRISTY FOTOTRY NY FIFANDRAISANA AMIN’ANDRIAMANITRA

Epistily nosoratan’i Paoly tany am-pigadrana ny epistily ho an’ny Efesianina. Zava-dehibe amin’ny fahafantarana fa nosoratana tany am-pigadrana izao Epistily izao dia tsotra: na dia ao anaty fahoriana aza ny mpanompon’Andriamanitra dia afaka mampahery ny fiangonana mandrakariva izy. Any am-pigadrana koa Paoly no mampahafantatra ny fototry ny fifandraisana marina amin’Andriamanitra. Jesoa Kristy izany fototry ny fifandraisana izany arak’izao ambara manaraka izao

  1. Ao Aminy no hitahian’Andriamanitra antsika (and 3)

« Isaorana anie Andriamanitra Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika Izay nitahy antsika tao amin’i Kristy amin’ny fitahiam-panahy rehetra any an-danitra »

Mazava tsara eto amin’izao and izao fa mitahy antsika Andriamanitra. Izany fitahiana izany dia mandalo ao amin’i Jesoa Kristy aloha ary mipaka any amin’ny fiangonana, any amin’ny olona. Ilay fitahiana dia tao amin’i Kristy. Izany hoe tsy afaka manantena fitahiana avy amin’Andriamanitra isika raha tsy efa ao amin’i Kristy aloha. Jesoa mihitsy Ilay fitahian’Andriamanitra koa izay efa ao Aminy ihany no afaka misitraka izany fitahiana izany. Handeha hatao ho zava-dehibe ny maha-ao amin’i Kristy antsika mba tena hisitraka tanteraka izany fitahian’Andriamanitra antsika isika.

  1. Nanavotra antsika tamin’ny Rany teo amin’ny hazo fijaliana (and 7,8)

DIEM « ny rà nafoin-Janany no nahazoantsika ny fanavotana dia ny famelana ny hadisoantsika »

Voavonjy arak’izao ny mino noho ny rà nalatsak’i Jesoa teo amin’ny fazo fijaliana. Io fandatsahan’i Jesoa ny ràny teo amin’ny hazo fijaliana io no nampitony ny fahatezeran’Andriamanitra tamin’ny fiangonana sy ny mino. Rehefa nitony izany fahatezeran’Andriamanitra izany dia tonga tamin’ny famelana ny heloky ny fiangonana Izy. Tsy tonga tamin’izao famonjena izao isika fiangonana raha tsy teo ny fitiavan’Andriamanitra antsika ka nanirahany an’i Jesoa hanolotra ny ainy hisolo voina antsika rehetra. Fototra iray mahatsara ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra indray ity asa famonjena nataon’i Jesoa Kristy ity. Aoka ho sarobidy amintsika izany.

  1. Mandova ny fanjakan’Andriamanitra isika noho ny Aminy (and 11)

DIEM « tafaray amin’i Kristy izahay ka tonga anjara lovan’Andriamanitra »

Ilay isika tafaray amin’i Kristy no mahatonga antsika hanana anjara amin’ny lova ao amin’Andriamanitra eto. Izany hoe raha mbola tsy tonga amin’io firaisana marina amin’i Kristy io isika dia tsy mbola manana izany lova izany. Zava-dehibe arak’izao ny fifandraisana amin’i Jesoa satria miantoka ny fiainana mandrakizay izany. Mandalo amin’i Jesoa avokoa arak’izany izay tombontsoa rehetra mety hositrahana avy amin’Andriamanitra. Tsy misy arak’izao fifandraisana marina amin’Andriamanitra raha tsy eo Jesoa. Jesoa irery no miantoka ny fahatsaram-pifandraisana amin’ny Tompo

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra