Mofon’aina – ZOMA 20 OKTOBRA 2017

1 Ho Anao ny fanginana sy ny fiderana, Andriamanitra any Ziona ô, ary Aminao no anefana ny voady.2 Ry Mpihaino vavaka ô, Ianao no hohatonin’ ny nofo rehetra.3 Ny zava-mahameloka ahy dia mihoatra noho izay zakako; nefa Ianao no mamela ny fahadisoanay.4 Sambatra izay fidinao ka ampanatoninao hitoetra eo an-kianjanao; Te-ho voky ny zava-tsoa ao amin’ ny tranonao izahay dia ny zava-masina ao amin’ ny tempolinao.5 Zava-mahatahotra no ataonao amin’ ny fahamarinana ho valin’ ny vavakay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô, ry tokin’ ny faran’ ny tany rehetra sy ny ranomasina eny lavitra eny.6 Mampiorina ny tendrombohitra amin’ ny heriny Izy, misikina fahatanjahana Izy.7 Mampitsahatra ny firohondrohon’ ny onjan-dranomasina Izy, sy ny fitabataban’ ny firenena.8 Dia matahotra noho ny famantaranao ny mponina any am-paran’ ny tany; ny any amin’ ny fiposahan’ ny maraina sy ny hariva no ampihobinao.
SALAMO 65 :1-8

FANEFENA NY VOADY  AMIN’I JEHOVAH

1-Manatera fisaorana  any Ziona 

Zava-mihatra  tamin’Israely  ny faharavan’ny Tempoly  sy ny fitsanganany indray. Nangina  ny fiderana  sy ny fivavahana tao. Ambara  eto kosa  fa tafaverina izany i Ziona  tanàna masina. Isaorana  sy ankalazaina  ao Ziona ny  Tompo, izay tompon’ny lasa  sy ny ankehitriny  ary ny ho avy avy  sady manome fiononana ny Israely. Miasa Izy  ary tsy takatry  ny saina ny heviny. Anjarantsika ny misaotra  sy midera Azy, fa tsara  indrindra izany.

2-Sambatra  izay antsoin’i Jehovah  ho eo an-kianjany

Fahasambaran’ny mpino  ny fiantsoan’ Andriamanitra hanatona Azy. Tsy misy  mahay manatona  ny  Tompo  raha tsy izy no miantso, eny  fa na dia maniry  izany aza. Ao   no isehoan’ny Tompo amin’ny olony  ka hamahany  ny zava-tsoa  sy ny zava-masina azy (and 4). Ao  no hamalian’Andriamanitra ny fivavaky ny  mpino  sy handrenesany  ny feony. Sambatra izay mitoetra eo akaikin’ Andriamanitra.

3-Miasa  tsy miato Andriamanitra 

Ho  valin’ny vavaka  ataon’ny Tompo dia miasa  Andriamanitra  sady  efa niasa  sy mbola hiasa mandrakizay  (and 6-7). Mampangina  ny herin’ny  fahavalon’Isarely ny asany, sady maharaiki-tahotra  azy ireny  (and 7-8). mamerina  ho amin’ny fahatsaran’ny  tendrombohitra sy ny fampanginana ny onjan-dranomasina  ary  ny  tabataban’ny firenena fahavalon’Israely ny  Tompo. Izany  dia asan’ilay Mpahary  izao tontolo izao.

Fanontaniana:

Manao  ahoana  izany fahasambarana izany  aminao ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !