Mofon’aina – ZOMA 22 DESAMBRA 2017

12 Tsy mbola nisy olona nahita an’ Andriamanitra na oviana na oviana. Raha mifankatia isika, dia mitoetra ato amintsika Andriamanitra, ary tanteraka ato amintsika ny fitiavany.13 Izao no ahafantarantsika fa mitoetra ao aminy isika, ary Izy ato amintsika, dia ny nanomezany antsika ny Fanahiny.14 Ary izahay efa nahita ka manambara fa ny Ray efa naniraka ny Zanaka ho Mpamonjy izao tontolo izao.15 Na iza na iza manaiky fa Zanak’ Andriamanitra Jesoa, dia mitoetra ao aminy Andriamanitra, ary izy kosa ao amin’ Andriamanitra.16 Ary isika efa mahalala sy mino ny fitiavan’ Andriamanitra antsika. Andriamanitra dia fitiavana; ary izay mitoetra amin’ ny fitiavana no mitoetra ao amin’ Andriamanitra, ary Andriamanitra ao aminy.17 Izany no ahatanterahana ny fitiavana amintsika, mba hananantsika fahasahiana amin’ ny andro fitsarana; fa tahaka Azy isika eo amin’ izao tontolo izao.18 Tsy manan-tahotra ny fitiavana; fa ny fitiavana tanteraka mandroaka ny tahotra; fa mampahory ny tahotra. Fa izay matahotra dia tsy mbola tanteraka amin’ ny fitiavana.19 Isika tia, satria Izy efa tia antsika taloha.
1 JAONA 4 :12-19

AIZA  NO MITOETRA  ANDRIAMANITRA ?

1-Ao  amin’izay   mifankatia (and 12b)

Andriamanitra  dia fitiavana. Izao   no nanehoana  ny  fitiavan’ Andriamanitra  antsika. Andriamanitra naniraka  ny zananilahy   tokana  tamin’izao tontolo izao, mba hahavelona  antsika  amin’ny alalany. Tiany   hitoetra  ao anatintsika izany fitiavany  izany. Izany  no andidiana   antsika mba hifankatia  satria:  « raha mifankatia  isika  dia mitoetra  ato anatintsika Andriamanitra  ary tanteraka ato amintsika  ny fitiavany » . Izaho  sy ianao   ary ireo  namantsika dia samy  nanehoan’ Andriamanitra ny fitiavany. Izay  tsy tia  dia tsy  mba mahalala  an’ Andriamanitra , fa  Andriamanitra  dia fitiavana  ary izay mitoetra  amin’ny fitiavana  no mitoetra  ao amin’ Andriamanitra  ary Andriamanitra  ao Aminy .

2-Ao  amin’izay  manaiky   fa Zanak’ Andriamanitra  Jesoa (and 15)

« Na iza na iza  no manaiky  fa Zanak’ Andriamanitra  i Jesoa dia mitoetra  ao aminy  Andriamanitra , ary izy  kosa  ao amin’ Andriamanitra »  . Ny  hoe: manaiky  Azy ho Zanak’ Andriamanitra   dia finoana fa Izy no Ilay Mesia , voahosotr’ Andriamanitra  . Izy   no nirahina  avy any an-danitra  mba hanao  izay hahafantaran’ny olona an’ Andriamanitra ary nanaiky   hatao  sorona  noho ny fahotantsika. Ny  olona  efa nandray  ny Fanahy masina  no afaka  hanaiky   fa Zanak’ Andriamanitra Jesoa , ka tanteraka  amin’ny fitiavana  an’ Andriamanitra  sy ny rahalahiny   ary ny olona rehetra .

Fanontaniana:

Tanteraka  ao  aminao  ve  ny  fitiavan’ Andriamanitra ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen