Mofon’aina – ZOMA 22 JIONA 2018

14 Ary Jesoa niverina tamin’ ny herin’ ny Fanahy nankany Galilia; dia niely tamin’ ny tany rehetra manodidina ny lazany.15 Ary Izy nampianatra teny amin’ ny synagogan’ ny olona ka nankalazain’ izy rehetra.16 Dia tonga tao Nazareta, izay nahabe Azy Izy; ary araka ny fanaony dia niditra tao amin’ ny synagoga tamin’ ny andro Sabata Izy ka nitsangana hamaky teny.17 Dia natolotra Azy ny bokin’ Isaia mpaminany; ary nony namelatra ny boky Izy, dia nahita ny teny voasoratra hoe:18 “Ny Fanahin’ i Jehovah no ato Amiko, Satria nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ ny malahelo Izy; Naniraka Ahy hitory fandefasana amin’ ny mpifatotra Izy, Sy fampahiratana amin’ ny jamba, Hanafaka izay nampahorina,19 Hitory ny taona ankasitrahan’ i Jehovah.20 Ary rehefa nahorony ny boky ka naveriny tamin’ ny mpanao raharaha, dia nipetraka Izy. Ary nandinika Azy ny mason’ izay rehetra teo amin’ ny synagoga.
LIOKA 4:14‑20

JESOA KRISTY IRERY IHANY NO MPANAFAKA ANTSIKA

Indroa eto ny filazana ny fisiana sy ny fiasan’ny Fanahin’Andriamanitra ao amin’i Jesoa Kristy. Izany dia manery Azy tsy hitomoemoe-poana fa hihetsika sy hiasa mba hanatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra. Maro ny asa lehibe vokarin’ny Fanahin’ny Tompo eo amin’ny fiainan’ny olona fa ireto no voaresaka eto :

1 – Mitory ny Filazantsara amin’ny malahelo

Iraka ataon’ny Tompo ary ampanaoviny ny Fiangonana ny fïtoriana ny Filazantsara. Ny hoe mitory ny Filazantsara dia fitaomana ny olona hanatona an’Andriamanitra sy hanana anjara amin’ny asa fisoronana nataon’i Jesoa Kristy ho an’ny mpino Azy. Tokony ho an’ny olona rehetra izany raha ny marina (jereo Lio. 2:10‑11). Ny hoe: Filazantsara koa, ara-bakiteny dia milaza zavatra tsara amin’ny olona, manome zavatra tsara ny olona ary iza moa no omena ny zavatra tsara ? Ny tsy manana indrindra ; ireo no tondroina amin’ny hoe: « malahelo » mba hilazana fa misy zavatra banga ao aminy ka hofenoin’ny Filazantsara.

2 – Milaza fanafahana ny mpifatotra

Ny hahafantarana ny hoe: mpifatotra dia olona migadra na olona voaheloka amin’ny ankapobeny. I Paoly izao dia voalaza hoe nanoratra taratasy tany am-pifatorana. Azo lazaina koa anefa fa voafatotry ny fahotana na fahazaran-dratsy na devoly ny olona ary ireny indrindra no hafahana eto. Ny olona manana ny Fanahy Masina rehetra dia tokony hahavita izany fanafahana izany koa mivonona ho isan’izany fa tsy hiseho ho voafatotra hatrany ka miandry fiantrana.

Fanontaniana :

Azo antsoina ho malahelo ve ny mpanan-karena sy ny manam-pahefana ary ny manam-boninahitra?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !