Mofon’aina – ZOMA 22 SEPTAMBRA 2017

11 Ary nony tonga tany Antiokia Kefasy, dia nanohitra azy nifanatrika aho, satria hita fa nanan-tsiny izy.12 Fa fony tsy mbola tonga ny sasany avy tany amin’ i Jakoba, dia niara-nihinana tamin’ ny jentilisa ihany izy; fa nony tonga ireo, dia nihatakataka izy ka niala, satria natahotra ny momba ny famorana izy.13 Ary ny Jiosy sasany koa niara-nihatsaravelatsihy taminy, ka Barnabasy avy aza mba voataonan’ ny fihatsaram-belatsihiny koa.14 Fa rehefa hitako fa tsy nandeha mahitsy araka ny fahamarinan’ ny filazantsara ireo, dia hoy izaho tamin’ i Kefasy teo anatrehan’ ny olona rehetra: Raha ianao izay tena Jiosy aza no manao tahaka ny fanaon’ ny jentilisa, fa tsy tahaka ny fanaon’ ny Jiosy, nahoana ny jentilisa no terenao hanao tahaka ny fanaon’ ny Jiosy?15 Taranaky ny Jiosy isika, fa tsy mba mpanota avy amin’ ny jentilisa,16 nefa nony fantatsika fa tsy hamarinina amin’ ny asan’ ny lalàna ny olona, fa amin’ ny finoana an’ i Jesoa Kristy, dia nino an’ i Kristy Jesoa koa isika mba hohamarinina amin’ ny finoana an’ i Kristy, fa tsy amin’ ny asan’ ny lalàna, satria tsy misy nofo hohamarinina amin’ ny asan’ ny lalàna.17 Fa raha mitady hohamarinina ao amin’ i Kristy isika, nefa ny tenantsika no hita fa mpanota, moa mpanompo ny ota va Kristy? Sanatria izany!18 Fa raha ny zavatra efa noravako no atsangako indray, dia mampiseho ny tenako fa diso aho.19 Fa raha izaho, dia tamin’ ny lalàna no nahafatesako ny amin’ ny lalàna, mba ho velona ho an’ Andriamanitra aho.20 Voahombo miaraka amin’ i Kristy amin’ ny hazo fijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko; fa izay ivelomako ankehitriny eo amin’ ny nofo dia ivelomako amin’ ny finoana ny Zanak’ Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy.21 Tsy mahafoana ny fahasoavan’ Andriamanitra aho; fa raha avy amin’ ny lalàna ny fahamarinana, dia maty foana Kristy.
GALATIANA 2 :11-21

NY VAVOLOMBELON’I JESOA KRISTY

1-Manohitra ny fihatsarambelatsihy

Niaina  tamin’ny fihatsarambelatsihy  i Petera . Nifandray  tamin’ny Jentilisa izy . Rehefa misy olona heverina fa hatahorany hitsara azy  anefa dia nasehony  indray  fa tsy mifandray  amin’ireo  izy. Reseo  ny fihatsarambelatsihy, iaino  ny Filazantsara noraisinao. Na aiza na aiza  sehatra  isehoanao  dia ataovy  ho zava-dehibe  ny fitondrantena mahamendrika  ny kristiana , indrindra ny fifandraisana  amin’ny hafa . Haneho  fitiavana ny olona rehetra.

2-Maneho  ny fahamarinan’ny Filazantsara  

Tsy nisalasala i Paoly Apostoly  naneho  fa ny finoana  an’i Jesoa Kristy irery ihany  no lalana ahafahan’ Andriamanitra manamarina ny olona ho ao  amin’ny famonjena . Diso  hevitra izay miady hevitra  mahakasika ny lalàna. Ny  zava-dehibe  dia ny fitaomana  ny olona hino  sy handray an’i Jesoa Kristy  eo  amin’ny fiainany. Tsarovy, raha manana  fotoana hifampiresahana  amin’ny hafa ianao  dia asehoy  fa ny finoana  an’i Jesoa Kristy ihany no mahavonjy.

3-Maneho  ny fiainam-baovao 

Mijoro ho vavolombelon’ny fiainam-baovao  noraisiny  noho ny finoana an’i Jesoa Kristy  i Paoly Apostoly . Niara- maty  tamin’i Jesoa Kristy  izy. I Jesoa Kristy voahombo   teo  amin’ny hazo  fijaliana  no  nitondra  ny fahotany. Nitsangana  tamin’ny  maty ny  Tompo, nanangana  azy  sy nitondra azy  ho amin’ny fiainam-baovao  izany. Velona ao amin’i Kristy izy  ka azony  antoka ny famonjena azy.

Fanontaniana:

Ahoana no handresena  ny fihatsarambelatsihy ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.Amen !