Mofon’aina – Zoma 23 desambra 2016

22 Izao no lazain’ i Jehovah: Aoka ny hendry tsy hirehareha amin’ ny fahendreny, ary aoka ny mahery tsy hirehareha amin’ ny heriny, ary aoka ny manan-karena tsy hirehareha amin’ ny hareny;23 Fa izay te-hirehareha dia aoka hirehareha amin’ izao: Dia ny fahendreny sy ny fahalalany Ahy ho Jehovah, Izay manao famindrampo sy fitsarana marina ary fahamarinana et? ambonin’ ny tany; fa izany no sitrako, hoy Jehovah.
JEREMIA 9 :22-23

NY OLONA ANKASITRAHAN’NY TOMPO

Jeremia dia tena tia ny fireneny. Tsy nitsahatra nananatra ny olona mba hiverina amin’ny Tompo izy. Nambarany fa izany ihany no hialan’ny firenena amin’ny fahavoazana. Eto amin’ity ampahan’ny toriteniny ity no ilazany fa ny olona tena hendry dia:

1-Tsy miantehitra amin’ny zavatra mora levona (and 22)

« Aoka ny hendry tsy hirehareha amin’ny fahendreny … ». Tena fahadalana ny manankina ny fiainana sy mirehareha amin’ny hery na ny fahendren’olombelona na ny harena. Kanefa dia ireo no imatimatesan’ny maro ka hanadinoainy an’ Andriamanitra. Ny hery sy ny fahatanjahana dia mbola ho lefy, ny harena dia mety levona, ny fahendren’olombelona dia tsy mahavonjy. Na ny aina aza manam-petra. I Jesoa dia nilaza hoe: « Aza mihary harena ho anareo ety an-tany , izay misy kalalao sy haarefesina manimba… »(Mat6.19)

2-Izay mahalala ny Tompo (and 23)

Mety hisy olona efa zatra ny fombafomba fanao amin’ny fiangonana, kanefa tsy tena mahalala an’ Andriamanitra akory. Ny fahalalana ny Tompo dia midika fahatsapana ny fitiavana sy ny fahamarinany ka mampihatra izany sy manao ny sitrapony eo amin’ny fiainany. « Izay manao hoe: fantatro Izy kanefa tsy mitandrina ny didiny dia : mpandainga, ary ny marina tsy ao anatiny » (1 Jaona2.3).

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.Amen