MOFON’AINA ZOMA 23 SEPTAMBRA 2022

1 Eo anatrehan’Andriamanitra sy Kristy Jesosy, Izay hitsara ny velona sy ny maty, ary noho ny amin’ny fisehoany sy ny fanjakany, no ananarako anao mafy: 2 mitoria ny teny, mazotoa, na amin’ny fotoana, na tsy amin’ny fotoana, mandrese lahatra, mamporisiha, mananara mafy amin’ny fahari-po sy ny fampianarana rehetra. 3 Fa ho avy ny andro izay tsy hahazakan’ny olona ny fampianarana tsy misy kilema; fa hangidihidy sofina izy, dia hamory mpampianatra ho azy araka ny filany; 4 ary hampiala ny sofiny amin’ny teny marina tokoa izy ka hivily ho amin’ny anganongano. 5 Fa ianao kosa mahonona tena amin’ny zavatra rehetra, miareta fahoriana, ataovy ny asan’ny evanjelista, tanteraho ny fanompoanao. 6 Fa izaho dia efa hatolotra sahady, ary efa mba akaiky ny andro fialàko. 7 Efa niady ny ady tsara aho; nahatanteraka ny fihazakazahana aho; nitahiry ny finoana aho; 8 hatrizao dia tehirizina ho ahy ny satro-boninahitry ny fahamarinana, izay homen ny Tompo, Mpitsara marina, ho ahy amin izay andro izay; ary tsy ho ahy ihany, fa ho an’izay rehetra tia ny fisehoany koa.II TIMOTY 4 :1-8

NY MPINO MANDRAY FANANARANA

1-Mazoto hatrany

« mazotoa na amin’ny fotoana na tsy amin’ny fotoana » .Mampita hafatra sy mananatra an’i Timoty eto .Manafatra izy mba hazoto hatrany amin’ny fanompoana i Timoty .Izay tena mandray fananarana dia maharesy ny hakamoana sy ny fahalainana ary ny fnagatahana andro .

2-Resy lahatra

« mandrese lahatra » (and 2). Ny olona resy lahatra no afaka handresy lahatra .Miorina tsara ao amin’i Jesoa Kristy izy, ary mandresy lahatra ny hafa hino sy handray an’i Jesao .Resy lahatra noho ny fihainoana nyTenin’Andriamanitra , ary mandresy lahatra amin’ny fitoriana Filazantsara avy eo .

3-Mahonona tena

« ianao kosa , mahonona tena amin’ny zavatra rehetra » (and 5) .Manafatra an’i Timoty iPaoly eto .Mampita fanilo izy ka mila fahamatorana tsara ny andraikitra amin’ny asa fitoriana .Mandresy ny fakampanahy rehetra , tsy manaiky ho voataona amin’ny fitaoman-dratsy rehetra ny mpino .

4-Mandova ny fiainana mandrakizay

« Hatrizao dia tehirizina ho ahy ny satroboninahitry ny fahamarinana izay nomen’ny Tompo » ( 2 Tim 4 :8).Fantatr’iPaoly fa efa mamaraparana ny zara fanompoany eto amin’ity tany fandalovana ity izy . Nambarany fa efa atolotra sahady izy ary efa mby akaiky ny andro fialany (and 6).Vonona tanteraka anefa i Paoly ary mahatoky feno fa handova ny fiainana mandrakizay .Iriny indrindra mba hanana fanantenana mafy orina sady handova ny fiainana toa azy ireo rehetra « izay tia ny fisehoan’i Jesoa Kristy »

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.