MOFON’AINA ZOMA 24 APRILY 2020

1 Ary amin’izany andro izany dia hitsangana Mikaela, andrian-dehibe, izay mitsangana hiaro ny zanaky ny firenenao; ary hisy andro fahoriana, izay tsy nisy tahaka azy hatrizay nisian’ny firenena ka hatramin’izany andro izany; ary amin’izany dia ho afaka ny firenenao, dia izay rehetra hita voasoratra ao amin’ny boky. 2 Ary maro amin’izay matory ao amin’ny vovoky ny tany no hifoha: ny sasany ho amin’ny fiainana mandrakizay, ary ny sasany ho amin’ny henatra sy ny latsa mandrakizay. 3 Ary izay hendry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra; ary izay mamerina ny maro ho amin’ny fahamarinana dia ho tahaka ny kitana mandrakizay doria
DANIELA 12 : 1-3

KRISTIANINA MAMIRAPIRATRA TOY NY KINTANA MANDRAKIZAY DORIA

 Hoy ny mpanompon’Andriamanitra iray izay hoe «  dia isika Kristianina no kintana mamirapiratra mandrakizay doria ».Hoy koa Jesoa hoe : « Ianareo no fahazavan’izao tontolo izao… » (Matio 5 :14-15) Rehefa vakiana ny and 3 amin’izao mofonaina izao dia ireto antony roa ireto no maha-kintana mamirapiratra antsika kristianina

  1. Kristianina manam-pahendrena

« Ary izay hendry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra »

Ny hoe fahendrena dia ho enti-milaza fahalalana koa. Teo amin’ny sivilizasiona Grika, izay manam-pahalalana no nantsoina hoe hendry. Manampy be dia be hananana fahendrena ny fahalalana. Rehefa jerena ny Soratra Masina dia izay manam-pahalalana ny Soratra Masina koa dia manam-pahendrena. Izany rahateo no hitantsika ao amin’ny Salamo : « Hendry noho ny mpampianatra ahy rehetra aho, Satria ny teni-vavolombelonao no fisaintsainako. 100 Hendry noho ny anti-panahy aho, Satria ny didinao no notandremako » (Sal 119 : 99,100). Manome fahendrena tsy misy toa azy arak’izao ny fahaizana Soratra Masina. Mahazo ny fahendrena avy any ambony arak’izao ny Kristianina rehefa ampy fahalalana ny Soratra Masina izy. Ary rehefa hendry izy dia tena kintana mamirapiratra. Ny hoe mamirapiratra dia tsy tokony hohadinoina fa ho enti-milaza olona iray izay hamirapiratan’ny voninahitr’Andriamanitra.

Jesoa raha teto amin’izao tontolo izao dia tena nanam-pahendrena tokoa, fahendrena nateraky ny fahaizany Soratra Masina. Fahendrena izay tena nampiavaka Azy tanteraka tokoa. Ary nampirapiratra teo Aminy ny voninahitr’Andriamanitra. Izy rahateo no ambaran’i Jaona Apostoly ho « Solofo sy taranak’i Davida, ny Kintana mamirapiratra fitarik’andro » (Apok 22 : 16)

  1. Kristianina mamerina amin’ny Tompo

« ary izay mamerina ny maro ho amin’ny fahamarinana dia ho tahaka ny kitana mandrakizay doria »

a- Ny Baiboly dikan-teny frantsay dia mandika io andininy io hoe : « Ceux qui auront enseigné la Justice », izany hoe « izay nampianatra ny fahamarinana » dia kintana mamirapiratra. Ny hoe fahamarinana dia ho enti-manondro ny Soratra Masina. Koa izay mampianatra ny Soratra Masina, ny tenin’Andriamanitra no tian-kambara eto. Raha mamaky izao mofonaina izao isika dia anisan’ny fampianarana ny fahamarinana izao ny amin’ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty ka hampizara roa ny olona rahatrizay (ho any amin’ny henatra mandrakizay na ny fahavelomana mandrakizay araka ny and 2).

b- Ny Baiboly DIEM kosa dia mandika io andininy io hoe : « izay nampianatra ny maro ho MARINA ». Izany hoe mampianatra ny maro hanao ny marina, ho marina amin’ny zavatra rehetra no kintana mamirapiratra. Ny hoe « marina » dia ho enti-manondro an’Andriamanitra izay nanaiky niseho tamin’ny alalan’i Jesoa teto amin’izao tontolo izao. Kintana mamirapiratra arak’izao izay mampianatra ny maro ny momba an’Andriamanitra sy ny momba an’i Jesoa Zanany.

Isika kristianina no kintana mamirapiratra noho isika mampianatra ny Soratra Masina izay fanambaran’Andriamanitra ny tenany sy Jesoa Zanany. Kintana mamirapiratra isika noho isika mamerina ny olona amin’ny fianarana Soratra Masina mba hahafantarany an’Andriamanitra. Mamirapiratra eo amin’izay mikely aina mampianatra ny Soratra Masina sy mikely aina mamerina ny maro amin’ny fifandraisana amin’Andriamanitra ny voninahitr’Andriamanitra.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.