Mofon’aina – Sabotsy 02 janoary 2016

1 Tamin’ ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin’ Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra.2 Izy dia tao amin’ Andriamanitra tamin’ ny voalohany.3 Izy no nahariana ny zavatra rehetra; ary raha tsy Izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao, na dia iray aza.4 Izy no nisiam-piainana; ary ny fiainana no fanazavana ny olona.5 Ary ny mazava dia mamirapiratra ao amin’ ny maizina; fa ny maizina tsy nandray azy [Na: Tsy mahasakana azy] .
JAONA 1 : 1-5

Ady hevitra ifanaovan’ny manampahaizana ankehitriny ny hoe nisy ve sa tsia ny mpamorona izao tontolo izao ?ary iza no nanao izany ? Raha ity soratra masina ity no jerena dia mazava tsara ny valiny fa :

1 -Maneho ny tenany ao amin’ ny voahary ny Tompo (and 1-4)

Andriamanitra dia efa nisy hatramin’ ny voalohany , ary tao aminy ny Teny izay nentiny namoronana izao tontolo izao. Io Teny io no nampisy ny zavatra rehetra, nandamina ny zavatra rehetra ary anton’ny zavatra rehetra. Io ihany koa no nahariana ny zava-boahary rehetra ary nananan’ny olombelona fiainana sy fahazavana. Tsy nisy ho azy teto ambonin’ ny tany isika noho izany fa asa-tanan’ Andriamanitra. Io fahazavan’ Andriamanitra io anefa dia tsy ho an’ny olona rehetra

2 – Fahazavana ho an’izay mandray (and 5)

Na dia mazava be aza fa nisy mpamorona izao tontolo izao , tsy nisy ny kisendrasendra , ary tsara sy mirindra avokoa ny zavatra rehetra hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra , dia misy olona minia tsy mijery izany fahazavan’ Andriamanitra izany fa te hikaroka amin’ny saina fotsiny hoe avy aiza izao tontolo izao.

Fanontaniana

Mba iza tokoa re no namorona anao ho tsara sy mirindra toy izao ?
Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.Amen !