Mofon’aina – Zoma 24 martsa 2017

8 Koa tandremo ny lalàna rehetra izay andidiako anareo anio, mba hahery ianareo, dia hiditra handova ny tany izay efa halehanareo holovana;9 ary, mba ho maro andro ianareo amin’ ny tany izay nianianan’ i Jehovah tamin’ ny razanareo homena azy sy ny taranany, dia tany izay tondra-dronono sy tantely.10 Fa ny tany izay efa hidiranao holovana dia tsy mba tahaka ny tany Egypta, izay nivoahanareo, izay namafazanao ny voan-javatrao sy nandeman’ ny tongotrao rano azy tahaka ny fambolen’ anana.11 Fa ny tany izay efa halehanareo holovana dia tany be tendrombohitra sy lohasaha sady mifoka rano avy amin’ ny ranonoran-danitra,12 dia tany izay tandreman’ i Jehovah Andriamanitrao; ny mason’ i Jehovah Andriamanitrao mitsinjo azy mandrakariva hatramin’ ny fiandohan’ ny taona ka hatramin’ ny fiafarany.13 Ary raha hihaino tsara ny didiko izay andidiako anareo anio ianareo ka ho tia an’ i Jehovah Andriamanitrareo sy hanompo Azy amin’ ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra,14 dia halatsako eo amin’ ny taninareo ny ranonorana amin’ ny fotoany, dia ny loha-orana sy ny fara-orana, mba hanangonanao ny varinao sy ny ranom-boalobokao ary ny diloilonao;15 ary hampaniriko ahitra ny sahanao ho an’ ny biby fiompinao, ary hihinan-kanina ianao ka ho voky.16 Kanefa mitandrema ianareo, fandrao ho voafitaka ny fonareo, ka hivily hanompo andriamani-kafa sy hiankohoka eo anatrehany ianareo;17 ary dia hirehitra aminareo ny fahatezeran’ i Jehovah, dia hanampina ny lanitra Izy, ka tsy hisy ranonorana, ary tsy hahavokatra ny tany; dia ho lany ringana faingana ianareo tsy ho eo amin’ ny tany soa izay omen’ i Jehovah anareo.
DEOTERONOMIA 11 :8-17

NY FAHOMBIAZAM-PIAINAN’NY MPINO

1-Miankina  amin’ny  fitahian’ Andriamanitra

Ampahafantarina  ny Zanak’ Israely  eto  fa tsy mitovy  amin’ny toetry  ny tany   Egypta  ny toetry ny tany Kanana izay  hidiran’izy ireo holovana. Ampy rano  ny tany Egypta, noho izany  dia mety  tsara  ny fambolena  izay natao. Fa ny tany Kanana  kosa  na dia voalaza  aza  fa tany  tondra-dronono  sy tantely dia tany be tendrombohitra, tany mifoka rano. Sakana amin’ny fambolena izany. Mampanantena  kosa Andriamanitra   fa eo ambany  fanaraha-masony izany tany izany. Rehefa mandray sy mankato  ny didiny ny olona dia handatsaka orana ho antoky ny fahombiazan’ny asan’ny olona Izy.

2-Tsy hanadinoana an’ Andriamanitra

Fikasan’ Andriamanitra  ny hananan’ny olona  ny fiainam-pahombiazana, fiainana  mirindra  raha nanafaka  azy ireo tany Egypta Izy. Mazava  tsara  anefa  ny fanamabarany eto : Izy no mitahy  ny fiainan’ny olona, miankina Aminy ny ho avin’ny olona. Ho foana  io fitahiana  io raha toa ka miala  amin’ Andriamanitra indray ny olona ka manompo   andriamanin-kafa. Raha manadino  an’ Andriamanitra ny olona dia mandika ny didiny   dia ho tapaka ny fifandraisany amin’ Andriamanitra. Mananatra  antsika  araka izany, raha mahita fahombiazana  eo amin’ny fiainana isika, tandremo  sao manadino  an’Ilay loharanom-pitahiana indray.

Fanontaniana:

Nahoana  ny olona  manankarena  sasany  no tena mandroso  amin’ny fanompoana an’ Andriamanitra ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !