Mofon’aina – ZOMA 24 NOVAMBRA 2017

7 Ary amin’ izany dia mahareta tsara, ry rahalahy, mandra-pihavin’ ny Tompo. Indro, ny mpiasa tany miandry ny voka-tsoa amin’ ny tany ka maharitra amin’ izany mandra-pahazony ny ranonorana aloha sy aoriana.8 Mahareta koa ianareo, mampahereza ny fonareo, fa efa mby akaiky ny fihavian’ ny Tompo.9 Aza mifampimonomonona, ry rahalahy, fandrao hohelohina ianareo; Indro, ny Mpitsara efa mitsangana eo anoloan’ ny varavarana.10 Ry rahalahiko, aoka ny mpaminany izay niteny tamin’ ny anaran’ ny Tompo no halainareo ho fianarana ny fandeferam-pahoriana sy ny faharetana.11 Indro, ataontsika fa sambatra izay efa naharitra. Efa renareo ny faharetan’ i Joba ary efa hitanareo ny faran’ ny nataon’ ny Tompo taminy, fa miantra indrindra ny Tompo sady be famindrampo.
JAKOBA 5 :7-11

Inenina  miverina  eto amin’ity  Mofonaina  ity  ny  teny iray  tarika amin’ny hoe: « faharetana ». Toetra  fototra  takiana  amin’ny mpino eo  am-piandrasana  ny  Tompo izany.

NY  KRISTIANA MAHARITRA

1-Maharitra  amin’ny fanantenana (and 7-8)

Oharina  amin’ny fiandrasan’ny mpiasa  tany   ny ranonorana  ny  fiandrasantsika  ny fiavian’i Kristy. Ny  mpiasa  tany  dia maharitra miandry  amin’ny fanantenana ny ranonorana na ho ela  na ho haingana  izany. Azony  antoka mantsy   fa tsy maintsy  ho avy  io  ary izany fanantenana izany  no mafy  orina ao anatiny. Tahaka izany  koa isika kristiana, taomina  hampiorina  ny finoana  amin’ny fanantenana  ny fiavian’i Kristy na ho ela  na ho haingana  izany. Ka  samy  hampahery ny fony satria ao am-po  no hiraketana izany  finoana izany  (Rom 10 :10).

2-Maharitra amin’ny  fahoriana (and 9-11)

I Joba  eto  no ohatra  alain-tahaka ny amin’izany  fahoriana izany. Izy dia  olona tsy nanan-tsiny  ary  na dia  efa  tao anaty fahoriana  mangidy  indrindra aza izy, dia tsy nanota  (Joba 1 :22 / 2 :10). Koa  toetra tokony hananantsika ny faharetana  amin’ny fahoriana, fa misy  valiny lehibe izany (and11). Ny Soratra masina koa dia miteny  hoe: « ny faharetana  mahatonga  fahatsaram-panahy  voazaha toetra  ary ny fahatsaram-panahy voazaha toetra mahatonga  fanantenana  » (Rom 5 :4). Tsarovy fa i Jesoa Kristy koa no efa  niaritra hatramin’ny farany  mangidy  indrindra  izay  niafara  teny amin’ny hazo  fijaliana.

Fanontaniana:

Hatraiza  ny fetran’ny fahazakantsika fahoriana ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !