Mofon’aina – ZOMA 25 AOGOSITRA 2017

blockquote>

25 Ary raha namatotra azy tamin’ ny kofehy hoditra izy, dia hoy Paoly tamin’ ny kapiteny izay hitsangana teo: Mety aminareo va ny mikapoka lehilahy Romana izay tsy mbola nohelohina?26 Ary ny kapiteny, nony nahare, dia lasa nilaza tamin’ ny mpifehy arivo ka nanao hoe: Inona izao hataonao izao? fa Romana io lehilahy io.27 Dia nankeo aminy ny mpifehy arivo ka nanao taminy hoe: Lazao amiko: Romana va ianao? Dia hoy izy: Eny.28 Ary ny mpifehy arivo namaly hoe: Vola be no nahazoako izany voninahitra izany. Fa hoy Paoly: Izaho kosa efa nanana izany hatry ny fony vao teraka.29 Dia nandao azy faingana ireo olona efa hanadina azy; ary ny mpifehy arivo natahotra koa, rehefa nahalala azy fa Romana, satria efa nampamatotra azy izy.
ASAN’NY APOSTOLY 22 :25-29

IZAY ANAMPIAN’NY TOMPO NY VAVOLOMBELONY HANDRESY FIJALIANA.

Tazantsika eto amin’ity vakiteny voalahatra anio ity izany izay nihatra tamin’I Paoly.

1-Ny nahatonga ny fijalian’i Paoly:

Ny fijaliana nanjo an’I Paoly dia fisamborana (Asa 21 :30),) ; gadra (21 :33; 22 :25), fikapohana (22 :23), ary fikasana hahafaty mihitsy aza (21 :36)… Ny isan’ny nahatonga izany anefa dia sahohon-dresaka tsy mazava tamin’ireo nanenjika ny amin’ny asa misionera nataon’i Paoly (21 :21) izay niely tamin’ny olona tao Jerosalema nihevitra an’i Paoly ho mpanimba ny maha-jiosy tany am-pielezana .Hita koa eo amin’ny (21 :34). Ary dia mirohatra fotsiny amin’ny endrika fitsaram-bahoaka hatao amin’I Paoly izy ireo.Fa ny tena lehibe ka mbola nitohizan’ny figadran’i Paoly hatrany amin’ny toko faha 28 dia ny fijoroany ho vavolombelon’i Jesoa (22 :1-21) itantarany ny nampiova azy ho kristiana sy nahatonga azy ho mpitory ny Filazantsaran’i Jesoa mihitsy aza.

2-Ny nandresen’i Paoly ny fampijaliana azy:

Olona nanam-pahaizana i Paoly ary afaka nifandahatra tsara tamin’ny manam-pahefana romana tamin’ny androny (21 :37) .Nahay ny teny grika nifandaharany tamin’ireo, izay fiteny nanoratany rahateo ireo epistily marobe isan’ny iorenan’ny finoantsika Fiangonana Kristiana mandraka ankehitriny. Hebreo rahateo izy ka niteny izany fiteny izany ka nampangina avy hatrany ireo jiosy mpanenjika azy raha vao niloa-bava fotsiny tamin’izany fiteny izany izy (22 :2).
Ny lalàm-panjakana Romana koa dia nanampy azy, nananany fiarovan-tena avy hatrany noho ny fananany ny zom-pirenena romana ka tsy azo kapokapohana fahatany raha tsy misy didim-pitsarana manameloka azy (22 :25)

Fanontaniana:

Inona avy ireo fahasoavan’Andriamanitra anananao na tokony ilainao hanampy anao handresy fijaliana ?