Mofon’aina – Zoma 25 novambra 2016

7 Ary rehefa voalazan’ i Jehovah tamin’ i Joba izany teny izany, dia hoy koa Izy tamin’ i Elifaza Temanita: Mirehitra aminao sy ny sakaizanao roa lahy ny fahatezerako satria tsy mba marina tahaka ny filàzan’ i Joba mpanompoko ny filàzanareo Ahy.8 Koa ankehitriny makà vantotr’ ombilahy fito sy ondrilahy fito ho anareo, ary mankanesa ao amin’ i Joba mpanompoko, ka manatera fanatitra odorana ho anareo; ary Joba mpanompoko no hifona ho anareo, fa izy no hankasitrahako, fandrao hamaly anareo araka ny fahadalanareo Aho, satria tsy marina tahaka ny filàzan’ i Joba mpanompoko ny filàzanareo Ahy.9 Dia nandeha Elifaza Temanita sy Bildada Sohita ary Zofara Namatita ka nanao araka izay nandidian’ i Jehovah azy; ary Jehovah dia nankasitraka an’ i Joba.10 Ary Jehovah nampody ny fiadanan’ i Joba, raha nivavaka ho an’ ny sakaizany izy, ka dia nanome azy indroa toraka izay nananany fahiny Izy.
JOBA 42 :7-10

NY OLONA MAHAZO SITRAKA AMIN’NY TOMPO

Famaranan-teny mitantara ny naneken’i Joba ny fitondran’ Andriamanitra sy ny fanambinana azony ity perikopa ity.

1-Afaka mifona ho an’ny hafa izy

Miteny eto Andriamanitra ka manome hafatra lehibe ho an’ireto sakaizan’i Joba ireto , sakaizany izay nilaza fa noho ny fahotan’i Joba no nahatonga ny loza nihatra taminy . Ambaran’ Andriamanitra fa izy irzeo no nanota, niteny zavatra tsy tokony hotenenina. Noho izany dia mila mifona, miverina Aminy. Asehon’ Andriamanitra amin’izy ireo fa olo-marina i Joba, ka izy no afaka hifona ho an’ireto namany mba handraisan’izy ireo famindrampo.

2-Ampitoerin’ Andriamanitra amin’ny fiadanany izy

« Mpanompoko » : izany no anarana iantsoan’ Andriamanitra an’i Joba, ilay olona miorina tamin’ny fahamarinana tao Aminy ka nankasitrahany. Na dia nandalo fitsapana mahamay aza, tsy nivadika fa naneho hatrany ny finoany. Taorian’ny fitsapana dia nivoaka ho mpandresy izy ka nampiterin’ Andriamanitra tamin’ny fiainam-piadanana. Mampahery ny mpino izany fa manana ny tsara indrindra omena antsika hatrany ny Tompo na toa inona na toy inona olana tsy maintsy sedraina eo amin’ny fiainana. Miorena tsara, aza miova .

Fanontaniana:

Afaka mandresy ny fizahan-toetra ve ianao ? Nahoana ? Inona no torohevitra omenao izay mandalo izany ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.Amen !