MOFON’AINA ZOMA 26 FEBROARY 2021

25.Dia hoy ireo taminy: Iza moa Ianao? Hoy Jesoa taminy: Ilay nolazaiko taminareo hatramin’ny voalohany*. [* Na: Ilay lazaiko aminareo indrindra] 26. Manana zavatra maro hilazana sy hitsarana anareo Aho, satria marina Izay naniraka Ahy; ary izay zavatra efa reko taminy no lazaiko amin’izao tontolo izao. 27. Tsy fantany fa ny Ray no nolazainy taminy, 28. ka dia hoy Jesoa: Rehefa asandratrareo ny Zanak’olona, dia ho fantatrareo fa Izaho no Izy, ary tsy manao na inona na inona ho Ahy Aho, fa araka ny nampianarin’ny Raiko Ahy no ilazako izany zavatra izany. 29. Ary izay naniraka Ahy dia eto amiko; tsy nandao Ahy ho irery Izy, satria Izaho manao izay sitrany mandrakariva. 30. Raha nanao izany teny izany Jesoa, dia maro no nino Azy.
JAONA 8 :25-30

JESOA KRISTY IRAKY NY RAY

1-Mitondra ny hafatry ny Rainy

« …ary izay zavatra efa reko taminy no lazaiko amin’izao tontolo izao. » (and.26)

Tao amin’ny toriteny nataony no nambaran’i Jesoa Kristy fa Andriamanitra Ray no naniraka Azy ho ety amin’izao tontolo izao. Na dia efa nanambara izany aza i Jesoa Kristy dia tsy nety nino ny olona fa avy amin’ny Ray i Jesoa, ary vao mainka nanamafy i Jesoa Kristy fa « marina ny fanambarany ». Misy tokoa ankehitriny, ny olona izay efa  mandre ny fanambarana  ataon’i Jesoa Kristy ao amin’ny Soratra Masina fa avy amin’Andriamanitra Ray Izy ary marina ny fanambarany, saingy tsy mety mino ny olona. Fitsarana anefa no miandry ny olona  tsy mety mino. Koa minoa an’i Jesoa Kristy dia faka amin’ny fitsarana ianao.

2-Omban’ny Rainy mandrakariva

« Ary izay naniraka Ahy dia eto amiko , tsy nandao Ahy ho irery Izy… » (and.29)

Manoloana ny tsy finoan’ny olona an’i Jesoa Kristy sy ny Teniny, dia nanambara  ny fanantenana ho avy Izy, sady nampahafantatra fa Izy tokoa no Kristy ary Izy ihany koa no Iraky ny Ray. Namafisin’i Jesoa Kristy ihany koa fa manatrika Azy Andriamanitra Rainy sady manohana Azy. Manoloana ny tsy finoan’ny olona ny tenin’i Jesoa Kristy, Andriamanitra Ray kosa tsy mandao ny irany izay manao ny sitrapony. Ka na dia mamela anao ho irery aza ny olona, noho ny tsy finoany an’i Jesoa Kristy, tamin’ny iraka nampanaovina anao, matokia fa Andriamanitra tsy mahafoy  anao raha manatanteraka ny sitrapony ianao.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.