Mofon’aina – ZOMA 26 JANOARY 2018

7 Ary ny fito-polo lahy niverina tamin’ ny fifaliana ka nanao hoe: Tompo ô, na dia ny demonia aza dia manaiky anay noho ny anaranao.18 Fa hoy Jesoa taminy: Izaho nahita an’ i Satana latsaka avy tany an-danitra tahaka ny varatra.19 Indro, efa nomeko fahefana hanitsaka menarana sy maingoka sy handresy ny hery rehetra ananan’ ny fahavalo ianareo, ka tsy hisy hampaninona anareo akory.20 Kanefa aza mifaly ianareo, satria manaiky anareo ny fanahy; fa mifalia, satria voasoratra any an-danitra ny anaranareo.
LIOKA 10 :17-20

Faly ery ireo  mpianatry ny  Tompo  hanao  tatitra fa mba nahavita ny  iraka nampanaovina azy. Nambaran’ireo tamin’izany  fa na dia ny  demonia aza  dia nanaiky azy ireo  noho ny  Anaran’i Jesoa. Antoky  ny  fahombiazana  amin’ny fanatanterahana  ny  asan’ Andriamanitra  ny  fandraisana  fahefana avy Aminy.

1-Fahefana  handresy  ny  herin’ny fahavalo 

Efa  nampanantena   ny  Tompo  fa izay  nandray  fahefana  avy Aminy   dia ho voaaro, ka tsy hanan-kery aminy ny ratsy. Tsy tokony  hatahotra  na hihemotra  ny fiangonana manoloana ny ady  amin’ny tsy fahamarinana sy ny faharatsiana , na inona na inona  mety  ho fandrahonana sy  fampitahorana , fa hoy  ny  Tompo  :  « Indro  , efa nomeko  fahefana …handresy  ny hery rehetra  ananan’ny fahavalo  hianareo  … Koa sahia  mijoro  ho vavolombelony  ». Fa tsy nomen’ Andriamanitra  fanahy osa  isika…(2 Tim 2.7).

2-Fahefana  hampiditra  antsika  any an-danitra (and 20)

Izay  tokony hahafaly  indrindra ny  mpianatra  , dia tsy  ny hanana  fahefana sy hahavita fahagagana  fotsiny ihany  , fa ny hahatonga  azy ireo  ho  ao  amin’ny Tompo , ho fananan’ny  Tompo voasoratra  any an- danitra . Ny tena fahafahampo  sy fifaliana  ho antsika dia tsy ny hanana fahefana sy hahavita  fahagagana  ihany akory, fa indrindra indrindra ny hahazoantsika antoka fa voavela heloka ka ho tonga tena Zanak’ Andriamanitra.

Fanontaniana:

Azonao antoka ve  fa efa voasoratra  any an-danitra ny anaranao?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !