MOFON’AINA ZOMA 26 JONA 2020

11 Koa tsarovy fa fahiny ianareo izay jentilisa araka ny nofo, ka nolazain’ny voaforan-tànana teo amin’ny nofo hoe ‘tsy voafora’, 12 eny, tsarovy fa tamin’izany andro izany dia tsy nanana an’i Kristy ianareo, fa olon-ko azy tamin’ny fanjakan’ny Isiraely ary vahiny tamin’ireo faneken’ny teny fikasana, dia tsy nanana fanantenana sady tsy nanana an’Andriamanitra teo amin’izao tontolo izao; 13 fa ankehitriny kosa, ao amin’i Kristy Jesoa ianareo izay lavitra fahiny dia efa nampanakeken’ny ran’i Kristy. 14 Fa Izy no fihavanantsika, Izay nahiray antsika roa tonta ka nandrava ny efitry ny fisarahana, 15 fa tao amin’ny nofony no nandravany ny fandrafiana, dia ny lalàna misy didy natao hotandremana, mba hanakambanany antsika roa tonta ao amin’ny tenany ho olom-baovao iray, ka hanaovany fihavanana, 16 ary hampihavana antsika roa tonta ho tena iray amin’Andriamanitra noho ny hazo fijaliana, izay namonoany ny fandrafiana. 17 Ary tonga Izy ka nitory teny soa mahafaly milaza fihavanana [fiadanana] taminareo izay lavitra ary fihavanana [fiadanana] tamin’izay akaiky koa. 18 Fa Izy no ananantsika roa tonta fanatonana amin’ny Fanahy iray ho any amin’ny Ray. 19 Koa dia tsy mba vahiny sy mpivahiny intsony ianareo, fa tompon-tany, mpiray fanjakana amin’ny olona masina sady ankohonan’Andriamanitra, 20 natsangana teo ambonin’ny fanorenan’ny Apostoly sy ny mpaminany, ary Kristy Jesoa no fehizoro indrindra; 21 ao Aminy no irafetan’ny rafitra rehetra, mitombo tsara ho tempoly masina ao amin’ny Tompo. 22 Ary ao Aminy no miaraka aorina koa ianareo ho fonenan’Andriamanitra amin’ny Fanahy.
EFESIANA 2 : 11-22

JESOA KRISTY MPAMPIHAVANA

Ny Epistily ho an’ny Efesiana dia Epistily iray tarika amin’ireo Epistily voasoratra tao am-pigadrana. Paoly Apostoly dia nitoetra telo be izao tao Efesosy tamin’ny dia misionera fahatelo notanterahiny. Anisan’ny fampianarana matanjaka voasoratr’i Paoly ato amin’ny Epistily ny maha-iray ny kristianina. Sary an’ohatra telo no noentin’i Paoly nanazava izany ato amin’ny Epistily: ny tena (Jesoa lohan’ny fiangonana, Kristianina no tena) – ny fanambadiana (Jesoa no lehilahy ary ny Kristianina no vehivavy) – ny taotrano (Jesoa no vato fehizoro). Eto amin’izao mofonaina izao dia zava-dehibe amin’i Paoly ny fihavanana satria antony nahafaty an’i Jesoa teo amin’ny hazo fijaliana izany. Raha miresaka hazo fihavanana Paoly dia miresaka hazo fijaliana izy. Inona tokoa moa no ifandraisan’ny hazo fijaliana amin’ny resaka fihavanana?

Teo amin’ny hazo fijaliana no

  1. Nampihavana antsika tamin’Andriamanitra Jesoa (and 14-17)

« Fa Izy no fihavanantsika, Izay nahiray antsika roa tonta ka nandrava ny efitry ny fisarahana, 15 fa tao amin’ny nofony no nandravany ny fandrafiana »

Ny fahotana dia nahatonga antsika ho nifandrafy tamin’Andriamanitra. Tonga lavitra an’Andriamanitra ny olona rehetra noho ny fahotana. Tafasaraka tamin’Andriamanitra ny mino noho ny fahotana. Tsy vitan’ny hoe tafasaraka tamin’Andriamanitra fotsiny fa tafiditra tao amin’ny tontolon’ny fahafatesana. Niala tamin’ny olona na Jiosy izy na Jentilisa ny maha-zanak’Andriamanitra azy. Noho ny hazo fijaliana, noho ny asam-pamonjena teo amin’ny hazo fijaliana, dia noentin’i Jesoa hovonoina teo ny herin’ny fahotana. Rehefa maty ny herin’ny fahotana dia afaka mifandray indray, afaka miombona, afaka mihavana amin’Andriamanitra indray ny mino. Lala-tokana hihavanana amin’Andriamanitra na Jiosy na Jentilisa ny hazo fijaliana. Ivelan’ny hazo fijaliana arak’izao dia tsy misy fihavanana azo antoka avy amin’Andriamanitra. Noho ny amin’i Adama dia tafasaraka tamin’Andriamanitra isika, fa noho ny amin’i Jesoa (Adama faharoa) dia tafahavana tamin’Andriamanitra indray isika.

  1. Nampihavana antsika samy isika Jesoa (and 16)

« ny fahafatesany teo amin’ny hazo fijaliana dia nanafoana ny fifankahalana, ka nanambatra antsika roa tonta ho tena anankiray ihany sady nampihavana antsika tamin’Andriamanitra »

Tsy tokony hohadinoina fa tsy ny fifandraisana amin’Andriamanitra ihany no potika sy ravan’ny fahotana. Ny fifandraisana sy ny fihavanan’ny samy olona koa dia potika sy rava. Porofo tsy azo lavina nateraky ny fahotana ohatra ny fifamonoana teo amin’ny mpirahalahy mpiray tampo voalohany (Kaina sy Abela). Rava sy potika ny fihavanana noho ny herin’ny fahotana. Rehefa mamaky ny Soratra Masina aza isika, izay ezahin’i Paoly hitondrana fampianarana sy fanitsiana eto dia tonga misy Jiosy sy Jentilisa. Tafiditra noho ny fahotana teo amin’ny fiarahamonin’ny olombelona ny fisarahana, tonga ny faharavan’ny fihavanana. Eto amin’izao and 16 izao anefa dia ambaran’i Paoly fa noho ny fahafatesan’i Jesoa teo amin’ny hazo fijaliana dia miverina amin’ny laoniny indray ny fifandraisana, miverina amin’ny laoniny indray ny fihavanana. Hampihavana izay nifandrafy no nahafatesan’i Kristy teo amin’ny hazo fijaliana. Novonoina ilay hery mampisaraka mba hiombonana sy hifandraisana indray.

Sarobidy ny hazo fijaliana ho antsika kristianina, sarobidy satria ny asa notanterahin’i Jesoa teo no nampihavana indray antsika tamin’Andriamanitra sy ny mpiarabelona amintsika. Izay mahatsiaro ny maha-sarobidy ny hazo fijaliana arak’izany dia hanao ho zava-dehibe ny fihavanany amin’Andriamanitra sy ny namany mba tsy ho asa tsy misy lanjany no vitan’i Jesoa teo.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.