Mofon’aina – ZOMA 27 APRILY 2018

6 Aoka izay ampianarina ny teny mba hahafoy zava-tsoa ho an’ izay mampianatra.7 Aza mety hofitahina ianareo; Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin’ ny olona no hojinjany.8 Fa izay mamafy ho an’ ny nofony dia hijinja fahasimbana avy amin’ ny nofo; ary izay mamafy ho an’ ny Fanahy dia hijinja fiainana mandrakizay avy amin’ ny Fanahy.9 Ary aza mba ketraka amin’ ny fanaovan-tsoa isika; fa amin’ ny fotoan’ andro no hijinjantsika, raha tsy reraka isika.10 Koa araka ny ananantsika andro hanaovana, dia aoka isika hanao soa amin’ ny olona rehetra, indrindra fa amin’ ny mpianakavin’ ny finoana.
GALATIANA 6 :6-10

« fa izay  afafin’ny  olona no hojinjany  » (and 7)

NY  MPINO  MANDEHA ARAKA NY FANAHY

1-Mijinja fiainana mandrakizay 

« Izay  mamafy  ho an’ny  fanahy  dia hijinja fiainana mandrakizay  avy  amin’ny Fanahy » (and 8a).Tsy  hoe fiainana maharitra  mandritra  ny vanim-potoana elabe fotsiny izany  fa indrindra fiainana be dia be feno ny haren’ny voninahitry  ny lovany  eo amin’ny olona masina (Efe 1 :18). Valisoa sarobidy  ho an’izay mahafehy  tena ka tsy maningo-tena  ny  amin’ny fiainana araka nofo araka izany   ny fiainana mandrakizay. Fijinjana ny vokatry  ny zavatra  tsara  natao  fotsiny   ihany  izany. Ny fiainan’Izy Andriamanitra  mihitsy  no natolony   ho antsika,  araka ny Jaona 10 :10.

2-Mahery  amin’ny fanaovan-tsoa 

« Ary  aza ketraka  amin’ny fanaovan-tsoa   isika, aoka  isika  hanao soa  amin’ny olona rehetra… » (and 9a, 10b). Ny hoe:« andro hanaovana » dia maneho  vanim-potoana raikitra  sy  voafaritra   fa tsy  fotoana  mandalo  akory. Izany   hoe: ny fiainan’ny  mpino  manontolo  mihitsy  no fiainam-panaovan-tsoa hanompoana ny hafa ao  amin’i Kristy. Ny  fitiavantsika  ny mpianakavin’ny finoana dia tena  marika lehibe hahatarafana  ny fitiavantsika  an’ Andriamanitra . Vokatra  hita  mason’ny fiainana ny Tenin’ Andriamanitra  ny fanaovan-tsoa.

Fanontaniana:

Iza no heverinao fa tomponandraikitra amin’izay zavatra iainanao  ankehitriny (na tsara na ratsy )?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra . Amen !