MOFON’AINA ZOMA 27 MAY 2022

50Ary Jesosy nitondra azy hatrany Betania, dia nanandratra ny tànany ka nitso-drano azy. 51Ary raha mbola nitso-drano azy Izy, dia nisaraka taminy ka nakarina ho any an-danitra. 52Ary izy ireo nitsaoka Azy, dia niverina ho any Jerosalema sady faly indrindra. 53Ary teo an-kianjan’ny tempoly isan’andro izy nankalaza an’Andriamanitra.LIOKA 24:50-53

JESOA KRISTY NITSODRANO NY MPIANANY

Toe-javatra miavaka no niseho tamin’ny fotoana namarana ny fiarahan’i Jesoa Kristy tamin’ny mpianatra. Fisaorana nanolorany tsodrano manokana ho azy ireo.

1- Nandray fitahiana ny mpianatra

Nifarana ny fotoana niarahan’i Jesoa Kristy tamin’ny mpianatra tamin’ny endrika hita maso. nofo aman-dra. Andraikitra manokana no miandry ny mpianatra dia ny hanohy ny asan’i Jesoa Kristy, hitory ny Filazantsara nifidianany azy ireo. Mba hahafahan’ny mpianatra manatanteraka izany dia mitsodrano azy ireo i Jesoa Kristy. Tsodrano : mifarana ny tontolo niarahana teo aloha, tontolo vaovao indray no misehatra atrehin’ny mpianatra. Miatrika ny ho avy eo ambany fitahian’i Jesoa Kristy ny mpianatra, antoka ho amin’ny fahombiazana izany .

2- Nandroso hery ny mpianatra

Rehefa nandray ny tsodrano ny mpianatra dia feno hery, feno fahavononana hanatanteraka ny iraka napetrak’i Jesoa Kristy tamin’izy ireo. Tena miavaka tokoa ny fiainan ‘izy ireo. Matetika rehefa mandao ny olona tena akaiky dia kivy, ketraka, mila tsy hahajoro ny olona. Tsy mba toy izany ny mpianatr’i Jesoa Kristy, fifaliana, faherezana, fahavononana hanao ny asa fanompoana no hita taratra teo amin’ny fiainany. Midika izany fa ny olona mandray ny tsodrano avy amin’i Jesoa Kristy dia feno hery sy fahavononana hanatanteraka asa fanompoana .

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.