MOFON’AINA ZOMA 28 DESAMBRA 2018

12 Ary mangataka aminareo izahay, ry rahalahy, mba hekenareo izay mikely aina eo aminareo sy mitondra anareo amin’ ny Tompo ary mananatra anareo,13 ary mba hohajainareo indrindra amin’ ny fitiavana izy noho ny asany. Mihavàna tsara.14 Ary mananatra anareo izahay, ry rahalahy; anaro izay tsy mitoetra tsara; omeo toky ny malemy saina; ampaherezo ny reraka; mandefera amin’ ny olona rehetra.15 Tandremo mba tsy hisy hamaly ratsy olona; fa miezaha mandrakariva hitady izay tsara, na amin’ ny namanareo na amin’ ny olona rehetra.16 Mifalia mandrakariva.17 Mivavaha, ka aza mitsahatra.18 Misaora amin’ ny zavatra rehetra; fa izany no sitrapon’ Andriamanitra ao amin’ i Kristy Jesosy ho anareo.19 Aza mamono ny Fanahy.
I TESALONIANA 5 : 12-19

MPINO MAHAY MIVELONA AMIN’NY FINOANY

1- Fifaliana hatrany

« Mifalia mandrakariva» (and. 16). Ny tiana hamhara amin’izany teny izany dia ny ahaizan’ny mpino mifaly amin’ny trangan-javatra rehetra eo amin’ny fiainany. Misy ary tsy maintsy lalovana ny fahasahiranana amam-pahoriana. Tsy ireny no mampifaly fa izay ataon’ny Tompo amintsika ao anatin’ireny olana sy fahasahiranana ireny. Hoy nv mpanompon’Andriamanitra iray : « Lanjao ny hazo fijaliana ; kanefa manàna fìfàliana ». Tsy hain’ny tsy mino iainana izany; kanefa tandremo ny mitsiky tsy ravo, fa manàna hatrany fìfaliana noho izay ataon’ny Tompo aminao.

2- Maharitra amin’ny fivavahana

Amin’ny fotoana tsy ivavahantsika. dia tsy manana faharetana isika. Mifameno amin’ny Mofonaina omaly izany. Ny olona maharitra mivavaka, dia olona manantena ny Tompo hiditra an-tsehatra amin’ny zava-manjo azy. Tsy olona miandry ny hotoloram-potsiny anefa, fa maharitra mivavaka. lo no handraisantsika hery. ahazoantsika miandry ny hahatongavan’ny fanantenana. na dia mbola eny amin’ny faravodilanitra aza

3- Mahay misaotra amin’ny zavatra rehetra

« Misaora amin’ny zavatra rehetra ». lo fahaiza-misaotra io no itarafana ny finoana ao amin’ny olona iray mahay misaotra tokoa isika, rehela mandrav ka mahazo zavatra tsara iray. Tsy ny zavatra raisina na omena ihany no itaomana antsika hisaotra eto, fa izay nataon’ny Tompo sy mbola hataony amintsika indrindra koa. Tsarovy izany tamin’ity taona ity. ka ataovy fanantenana ho anao amin’ny taona ho avy

Fanontaniana
Ahoana izany misaotra amin’ny zavatra rehetra izany ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra !