MOFON’AINA ZOMA 28 SEPTAMBRA 2018

3 Raha misy manao fampianarana hafa, ka tsy manaiky ny teny tsy misy tomika nambaran’i Jesoa Kristy Tompontsika sy ny fampianarana mifanaraka amin’ny fivavahantsika, 4 dia mieboebo foana ary tsy mahalala na inona na inona, fa adalan’ny fiadian-kevitra sy ny fiadian-teny; vokatr’izany: fialonana, fifandirana, fanevatevana, ahiahy ratsy, 5 ary fifanoherana tsy misy farany eo amin’ny olona efa ratsy saina sady efa tsy mahalala ny hafatra marim-pototra intsony. Heveriny fa ny fivavahana dia atao ho filàn-karena.6 Eny, harem-be tokoa ny fivavahana ho an’ny olona mahay mianina amin’izay ananany; 7 satria tsy nitondra na inona na inona isika nanketo amin’izao tontolo izao ary tsy hahatondra na inona na inona miala eto. 8 Koa rehefa mba manan-kohanina sy hitafiana isika, dia aoka hianina amin’izany. 9 Fa izay te hanan-karena, dia voan’ny fakampanahy sy ny fandriky ny filàna maro tsy misy antony sady manimba, izay mandetika ny olona hihitsoka ao amin’ny fandringanana sy ny fahaverezana. 10 Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra; ny olona sasany, fatra-pitady izany, dia efa tafavily niala tamin’ny finoana, ka nandefon-tena tamin’ny fijaliana maro.
I TIMOTY 6 : 3-10

TANDREMO NY FAMPIANARAM-PINOANA TANANA!

1- Fantaro izay manao fampianarana hafa

« Raha misy olona manao fampianarahna hafa ». hoy ny teny eto. Tsy manondro olona manokana i Paoly eto fa mampitandrina an’i Timoty sy ny fiangonana, satria misy zava-doza mety ahazo ny mpitoriteny ka tokony ho mailo hatrany amin’ny zavatra atao sy tenenina. Mora mantsy ny hampibolisatra ny atao na ny tenenina ka hialana amin’ny Soratra Masina, ka zary manao fampianaran-diso ary mitondra ny rehetra ho diso hanaraka ilay miteny koa. Aoka àry ho ao an-tsaina mandrakariva fa tsy izay havanana amin’ny fitenenana akory dia afaka hitory teny araka ny sitrapon’ Andriamanitra daholo.

2- Manàna toe-panahy araka an’Andriamanitra

Ambaran’i Paoly fa zava-dehibe ny fananana ny toe-panahy araka an’Andriamanitra satria tena ahazoana tombony be eo amin’ny fanarahan-dia ny Tompo izany. Ny olona manana sy miaina ny toe-panahy araka an’Andriamanitra dia efa manana ny ampy ao amin’ny Tompo ka afaka mianina amin izay homen’ny Tompo azy. Ny olona manana sy miaina ny toe-panahy araka an’Andriamanitra dia tsy mitady tombon-tsoa manokana sy mihoapampana araka ny filàn’izao tontolo izao fa efa manana ny ampy avy amin’Andriamanitra. noho izany tsy tafarotsaka ao antin’ny filàn-karena izay mahadiso ny olona satria mitady izany amin’ny fomba tsy mendrika samihafa. Resena lahatra ary etoana ny kristiana hanana sy hiaina amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra.

Fanontaniana:
Atao ahoana ny fiatrehana ny fampianaran-diso samihafa manodidina ny kristiana.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra !