Mofon’aina – ZOMA 30 JONA 2017

16 Fa hoy izaho: Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filan’ ny nofo hianareo.17 Fa ny nofo manohitra ny Fanahy, ary ny Fanahy manohitra ny nofo; ary mifanohitra izy roroa, mba tsy hahazoanareo manao izay zavatra tianareo.18 Fa raha tarihin’ ny Fanahy ianareo, dia tsy mba ambanin’ ny lalàna.19 Fa miharihary ny asan’ ny nofo, dia izao: Fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana,20 fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adi-lahy, fiafonafonana, fifampiandaniana, fisarahana, fitokoana,21 fialonana, fahamamoana, filalaovan-dratsy, ary ny toy izany, izay lazaiko aminareo rahateo, tahaka ny voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan’ Andriamanitra.22 Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana,23 fahalemem-panahy, fahononam-po; tsy misy lalàna manohitra izany.24 Fa izay an’ i Kristy Jesoa dia efa nanombo ny nofony mbamin’ ny faniriany sy ny filàny tamin’ ny hazo fijaliana.25 Raha velon’ ny Fanahy isika, dia aoka handeha araka ny Fanahy.26 Aoka isika tsy handrani-tena foana ka hifampihaika sy hifampialona.
GALATIANA 5 :16-26

NY  OLONA  ARAKA NY FANAHY MASINA

 Mampiavaka  ny olona  eto  amin’izao tontolo izao  ny itoeran’ny Fanahy Masina  sy ny  tsy itoerany. Impito  miverina  eto ny anarana : Fanahy Masina.

1-Ny olona  araka ny Fanahy Masina

Antsoina hoe : « an’i Kristy »  (and24) ny  olona  nandray ny Fanahy Masina. Tsy  baikon’ny nofo  na ny filàna  intsony izy. Rehefa  ny filàna  ao amin’ny olona  no mibaiko   fa tsy ny  Fanahy Masina  dia olona araka  ny nofo izy. Izao  taratasy ho an’ny Galatiana  izao  dia maneho  fa misy kristiana  ivelany  fa tsy  itoeran’ny Fanahy Masina. Izany no ahitana  ny faharatsiana  marobe dimy ambin’ny folo  (and 19-21). Havaozin’ny Fanahy  Masina  ny fiangonana   ka esorina ao aminy   ny  toetra  ratsin’izao tontolo izao  ireo.

2-Ny  vokatry   ny  Fanahy Masina

Misy  fito  izy ireo : fitiavana , fifaliana, fiadanana , fahari-po , fahamoram-panahy , fanaovantsoa , fahamarinana , fahalemem-panahy , fahononampo (and 22-23). Ireo  toetra vokarin’ny Fanahy Masina  ao  amin’ny kristiana sy ny fiangonana ireo dia manova  ny  tontolo   misy  ny mpino. Ireo toetra  ireo  no hamantarana ny mino. Miavaka  tsara  ny mpino  na ny kristiana  ara-nofo  sy ny kristiana  araka ny Fanahy Masina. Fanahy mamelona  ny Fanahy Masina  ka manova  ny fiainan’ny mino  ho  amin’ny fitiavana an’ Andriamanitra  sy  ny fifankatiavana. Ny  fanovana  ny  fiaraha-monina  ho  tsara  dia fanekena  ny asan’ny Fanahy

Fanontaniana :

Inona  no vokatry  ny Fanahy Masina  eo aminareo ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !