MOFON’AINA ZOMA 30 NOVAMBRA 2018

1 Ary nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho; fa efa lasa ny lanitra voalohany sy ny tany voalohany, ary ny ranomasina dia tsy misy intsony.2 Ary nahita aho fa, indro, ny tanàna masina, dia Jerosalema vaovao, nidina avy any an-danitra tamin’ Andriamanitra, voaomana tahaka ny ampakarina efa mihaingo hihaona amin’ ny vadiny.3 Ary nahare feo mahery avy teo amin’ ny seza fiandrianana aho nanao hoe: Indro, ny tabernakelin’ Andriamanitra dia eo amin’ ny olona, ary Izy hitoetra eo aminy, ary ireo ho olony, ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny.4 Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha.5 Ary hoy Ilay mipetraka eo ambonin’ ny seza fiandrianana: Indro, havaoziko ny zavatra rehetra. Ary hoy koa Izy: Soraty; fa mahatoky sy marina ireo teny ireo.6 Ary hoy koa Izy tamiko: Tanteraka ireo. Izaho no Alfa sy Omega, ny fiandohana sy ny fiafarana. Izaho hanome maimaimpoana amin’ ny loharanon’ ny ranon’ aina ho an’ izay mangetaheta.7 Izay maharesy no handova izany zavatra izany; ary ho Andriamaniny Aho, ary izy ho zanako.8 Fa ny osa sy ny tsy mino sy ny vetaveta sy ny mpamono olona sy ny mpijangajanga sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpanompo sampy ary ny mpandainga rehetra dia hanana ny anjarany ao anatin’ ny farihy mirehitra afo sy solifara; izany no fahafatesana faharoa.
APOKALYPSY 21 : 1-8

NY TOETOETRY NY FANJAKAN’ANDRIAMANITRA

Ny boky Apokalipsy dia manambara ny herin’ Andriamanitra sy ny fandresen’i Jesoa Kristy ho fampaherezana ary fampanantenana ho an’ireo kristiana niaina tao anatin’ny fanenjehana fahizay. Mety ihatra amin’ny fiangonana amin’ny fe-potoana rehetra anefa izay nihatra tamin’izy ireo. Toy izao ny fahitan’i Jaona Apostoly ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra:

1- Fanavaozana tanteraka.

« Indro havaoziko ny zavatra rehetra » (and.5).Tsy ny olona ihany no mandalo ny fanavaozan’ Andriamanitra, fa ny zava-boary manontolo. Araka izany dia ho levona izao tontolo izao ankehitriny (I Pet 3:10-13) izay efa nosimbain’ny ota. Ary ny ranomasina izay noheverin’ny Jiosy fa itoeran’ny hery mpanohitra an’Andriamanitra dia tsy hisy intsony. Tanteraka ireo (and.6). Jesoa Kristy dia efa nitondra ny aretintsika rehetra sy nivesatra ny fahotantsika. (Isa 53:4). Hofafan’Andriamanitra ny ranomaso rehetra ka tsy hisy intsony na fahafatesana na alahelo na fitarainana na fanaintainana, fa efa lasa ny zavatra tàloha (and.4).

2- Fanesorana ny ratsy rehetra.

Tsy hanana anjara amin’ny fanjakan’Andriamanitra ny « osa » na ny kanosa, ny « vetaveta» izay entina milaza ireo mpanompo sampy, ny tsy mpino, ny mpanimbazimba, ny mpamono olona, ny mpijangajanga. ny mpanao ody ratsy, ary ny mpandainga rehetra. Ireo dia hanana ny anjara ratsiny any amin’ny fahafatesana faharoa (and.8). Enga anie isika mba tsy ho anisan’ireo!

Fanontanìana:
Aiza ao amin’ny fanjakan’ny lanitra no misy anao ankehitriny?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra !