MOFON’AINA ZOMA 8 APRILY 2022

17 Ary raha nahita Azy aho, dia lavo niankohoka tahaka ny maty teo anoloan’ny tongony. Fa Izy nanendry ahy tamin’ny tànany ankavanana ka nanao hoe: Aza matahotra; Izaho no Voalohany sy Farany, 18 dia Ilay velona; efa maty Aho, nefa, indro, velona mandrakizay mandrakizay sady manana ny fanalahidin’ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita. 19 Koa soraty izay zavatra efa hitanao, na izay zavatra ankehitriny, na izay zavatra mbola ho avy rahatrizay, 20 dia ny zava-miafina ny amin’ny kintana fito izay efa hitanao teny an-tanako ankavanana sy ny fanaovan-jiro volamena fito. Ny kintana fito dia ny anjelin’ny fiangonana fito: ary ny fanaovan-jiro fito dia fiangonana fito.APOKALYPSY 1:17-20

1 – Maty ny olona rehetra eo anatrehan’ny Tompo

Manamafy ny maha olona ny olona sy ny maha-Andriamanitra an’Andriamanitra ny zava-misy eto satria voalaza fa rehefa nahita ny Tompo Andriamanitra i Jaona dia lavo niankohoka tahaka ny maty teo anoloan’ny tongony. Manamafy ny voalazan’ny Eks. 33:20 indrindra izany manao hoe : « tsy mahazo mahita ny tavako ianao fa tsy misy olona mahita Ahy ka ho velona ». Izany toe-javatra izany no mihatra amin’ny olona rehetra tahaka an’i Jaona eto. Ny tiana holazaina izany dia tsinontsinona ny olona eo anatrehan’Andriamanitra, tsy misy olona afaka mahita Azy mihitsy. Nomeny anefa i Jesoa Kristy, Izy izay naka endrik’olona honina ety an-tany, hahafantatra ny zava-manjo ny olona ka hamonjy ny olona. Noho izany na dia maty aza ny olona amin’ny maha olona azy dia afaka mahita Azy ao amin’i Jesoa Kristy.

2 – Manana fahefana hamelona azy koa ny Tompo

Ankilan’ny fahafatesana manjo ny olona anefa dia efa nambaran’ny Tompo ny fahavelomana omeny izay rehetra mino Azy. Hoy i Jaona : « Fa Izy nanendry ahy tamin’ny tànana ankavanana ka nanao hoe aza matahotra ». Izany fanehoan-javatra izany kosa dia milaza ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty avy hatrany ary ny Tompo Andriamanitra no antony mampisy izany satria hita eto hoe : « efa maty Izy nefa velona indray » izany hoe mahafantatra sy maharesy ny fahafatesana. Omeny ny olona izay momba sy mino Azy tahaka an’i Jaona izany zavatra izany.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.