TALATA 13 DESAMBRA 2022

8Koa lazao amin’i Davida mpanompoko hoe: Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Izaho no naka anao avy tany an-tsaha, dia avy tamin’ny niandrasanao ondry, mba ho mpanapaka ny Isiraely oloko. 9Ary nomba anao tamin’izay nalehanao rehetra Aho, ka naringako tsy ho eo anoloanao ny fahavalonao rehetra, ary homeko anarana malaza tahaka ny anaran’izay lehibe ambonin’ny tany ianao. 10Ary hifidy tany ho an’ny Isiraely oloko Aho sady hamponina azy, ka dia handry fahizay amin’ny fonenany ary tsy hanana ahiahy intsony izy, ary ny zanaky ny faharatsiana tsy hampahory azy intsony tahaka ny taloha 11sy tahaka ny hatramin’ny nanendreko mpitsara ho mpifehy ny Isiraely oloko; ary hampiadana anao ho afaka amin’ny fahavalonao rehetra Aho. Ary lazain’i Jehovah aminao koa fa hanome taranaka ho anao Izy. 12Ary rehefa tapitra ny andronao, ka hodi-mandry any amin’ny razanao ianao, dia hatsangako handimby anao ny zanakao izay haterakao, ary hampitoeriko ny fanjakany; 13dia io no hanao trano ho an’ny anarako, ary Izaho kosa hampitoetra ny seza fiandrianan’ny fanjakany ho mandrakizay. 14Izaho ho rainy, ary izy ho zanako. Raha manao izay meloka izy, dia hanariko amin’ny tsorakazon’ny olona sy ny kapoky ny zanak’olombelona; 15nefa ny famindram-poko tsy mba hiala aminy, tahaka ny nanesorako izany tamin’i Saoly, izay nesoriko teo alohanao. 16Ary ny taranakao sy ny fanjakanao hitoetra eo anatrehanao mandrakizay; ny seza fiandriananao hitoetra mandrakizay.2 SAMOELA 7:8-16

ILAY ANDRIAMANITRA MPANJAKA

Nikasa hanao tempoly ho an’Andriamanitra i Davida mpanjaka.Mazava ny valiteny nomena ho azy :tsy izy no hanao asa lehibe ho an’Andriamanitra fa Andriamanitra no hanomana ny ho aviny.

1-Miahy ny fiainan’ny mpanompony

Nanana ny fikasany ho an’Andriamanitra i Davida mpanjaka . Ampahatsiahivin’Andriamanitra azy eto fa Izy no niasa teo amin’ny fiainany .Andriamanitra no nanendry azy ho mpanjakan’Israely .Izy no niasa ka nahafahany nandresy ny fahavalo mpanakorontana ny fanjakany .Tsy ny heriny no nampandresy azy na ny nanandatana ny anarany ,nananany ny zavatra rehetra fa noho ilay Andriamanitra niasa teo amin’ny fiainany manontolo .Tadidio fa miasa eo amin’ny fiainanao isanandro Ilay Andriamanitra Tompon’ny zavatra rehetra .Matokia Azy fa ny fahasoavany mitsinjo anao hatrany .

2-Mihevitra ny ho avy

Hanao trano ho an’Andriamanitra no fikasan’i Davida. Manana fikasana lehibe ho amin’ny ho vainy Andriamanitra. Ny Tompo Andriamanitra no hanao trano ho Azy,ny trano sy ny taranaka ho azy , taranaka hanimby azy eo amin’ny fanjakana ,taranaka ampitoeran’Andriamanitra ho amin’ny fanjakana mandrakizay eo amin’ny zanak’Israely .Tsarovy fa mihevitra ny mahasoa anao isanandro ny Tompo .Efa nanolotra ny ainy ho famonjena anao Izy .Ekeo ny hanjakany eo aminao .

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.