TALATA 20 DESAMBRA 2022

4Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, amin’ny babo rehetra izay natolotro ho babo avy tany Jerosalema ho any Babylona: 5Manaova trano ianareo, ka mitoera aminy; ary manaova tanimboly, ka hano ny vokatra avy aminy. 6Manambadia, ka miteraha zazalahy sy zazavavy; analao vady ny zanakalahinareo, ary ampanambadio ny zanakavavinareo, mba hiterahany zazalahy sy zazavavy, ka hihamaro anie ianareo, fa tsy hihavitsy. 7Ary katsaho izay hiadanan’ny tanàna izay nampandehanako anareo ho babo, ary mivavaha amin’i Jehovah ho azy; fa raha miadana izy, dia mba hiadana koa ianareo.8Fa izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Aza mety hofitahin’ny mpaminaninareo sy ny mpanao fankatovanareo, izay ao aminareo, ary aza mino ny nofinareo izay nofisinareo. 9Fa lainga no vinaniny aminareo amin’ny anarako; tsy naniraka azy Aho, hoy Jehovah.JEREMIA 29:4-9

MITAIZA NY VAHOAKANY NY TOMPO

Ity taratasy ity dia teny faminaniana izay nasain’i Jehovah ambaran’i Jeremia amin’ireo mponin’i Joda lasan-ko babo tany Babylona.Milaza izany fa tsy afoin’ny Tompo ny vahoakany.

1-Na dia any am-pahababoana aza

Efa samy nanarin’ ny Tompo tamin’ny alalan’ny mpaminany avokoa na I Joda , na Israely , fa hahita loza ireo raha tsy miverina amin’Andriamanitra .Tsy nihaino anefa izy ireo ka dia izao niafara tamin’ny fahababoana izao . Andriamanitra mihitsy no nanolotra azy ireo hobaboin’ny Babyloniana .Manamarina izany ny and 4 « …izay natolotro ho babo avy tany Jerosalema ho any Babylona… » .Nampitondra teny ho azy ireo ny Tompo tamin’ny alalan’I Jeremia mpaminany .Araka izany dia azo lazaina fa fomba entin’Andriamanitra hananarana sy hanitsiana ny vahoakany no anton’izao zava-mitranga izao fa tsy dia nafoy akory izy ireo .

2-Mikatsaka izay hahitany fiadanana

Eto dia manome toromarika ho azy ireo ny Tompo ny amin’izay tokony hataony any an-tanin’olona mba hananany fitoniana sy hahitany fiadanana.Nanolo-kevitra azy ireo ny Tompo mba hanorina trano onenana, hamboly sy hioty ny vokatra avy aminy , sady nitsodrano azy koa mba hitombo taranaka : « Hihamaro anie ianareo fa tsy hihavitsy » (and 6b-DIEM) .Nasain’ny Tompo hivavaka koa izy ireo mba hampisy fiadanana any amin’ny tany izay nahalasa azy ho babo : « fa raha miadana izy dia mba hiadana koa ianareo »(and7).Tsy ny mitsara sy manameloka no adidin’ny fiangonana fa ny mitondra am-bavaka ny mpitondra sy ny vahoaka ao aminy mba hisian’ny fiadanana ho an’ny mponina rehetra .Ankoatr’izany dia antitranterin’ny Tompo mafy ny tsy hanarahan’ny vahoakany ireo mpaminany sandoka.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.