TALATA 8 NOVAMBRA 2022

6 Efa nahafongana firenena Aho, Rava ny tilikambo eny amin’ny zorony; Nosimbako ny lalany tsy hisy mpandeha; Rava ny tanànany, ka tsy misy olona, Eny, tsy misy mponina. 7 Hoy Izaho: Hatahotra Ahy tokoa ianao ka hino anatra, Dia tsy ho rava ny fonenanao, Araka izay rehetra voatendriko hamelezana anao; Kanefa nifoha maraina koa izy ka nanao Izay ratsy rehetra.8 Koa miandrasa Ahy ianareo, hoy Jehovah, Ambara-pihavin’ny andro hitsanganako haka babo; Fa izao no kasaiko hatao: Hamory firenena sy hanangona fanjakana Aho, Hanidinako ny fahatezerako amin’ireo, dia ny firehetan’ny fahatezerako rehetra, Ka ho levon’ny afon’ny fahasaro-piaroko ny tany rehetra.ZEFANIA 3 : 6-8

MANOMANA ANTSIKA HANDRAY AZY NY TOMPO

Taorian ‘ny fanamelohana ireo firenana hafa dia nitodihan’i Zefania ihany koa ny fahotan ‘ i Jerosalema sy ny olon’Andriamanitra. Ary mahitsy ny fomba entiny mampita ny hafatr’Andriamanitra ho an’ ny mponina tao Jerosalema:

1- Mampatsiahy ny fahefany sy ny fahalehibiazany (and.6)

Tonga olona mpanohitra an’ Andriamanitra ny vahoakany ka nahitana ireo endri-paharatsiana samihafa. Nahatezitra an’Andriamanitra izany ka nambarany sy nampatsiahiviny ny fahefana ananany hamaliany ny ratsy ataon’ny olona. Marina tokoa ny voalaza hoe : « Aza mety hofitahina ianareo ,Andriamanitra tsy azo vazivaziana, fa izay afafin ‘ny olona no hojinjany » (Gal 6 :7). Andeha isika hanova famindra ka hiala amin’ny ratsy mba tsy hihatra amintsika ny fahatezeran’Andriamanitra. Raha mandray izao antso izao dia manapaha hevitra sao sanatria ho marina amintsika ny tenin’ny olon-kendry hoe : « lzay olona anarina matetika ka mihamafy hatoka ,dia ho torotoro tampoka, ka tsy hisy fahasitranana. » (Ohabolana 29 :1) Amin’izay isika vao ho tonga saina ! Araraoty ny fotoana fa mandalo!

2- Maniry ny fibebahantsika Izy (and.7)

Ny tanjon’ Andriamanitra amin’ny famaizana ataony amin’ny vahoakany eto dia ny hitodihan’ izy ireo Aminy ka ho tonga ao amin’ireo ny fahatahorana Azy. Raha misy kapoka mahazo antsika dia tsara raha mandini-tena aloha isika , araka ny voalazan’i Joba hoe : « Indro, sambatra ny zanak’olombelona izay anarin’Andriamanitra, koa aza atao ho zavatra kely ny famaizan ‘ny Tsitoha » (Joba 5 :17). Fantaro fa fitiavana no hamaizan’ny Tompo fa hoy i Jesoa hoe : « lzay rehetra tiako no anariko sy faizako. Koa dia mazotoa ianao, ka mibebaha. »(Apokalypsy 3:19 ).

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.