ZOMA 30 SEPTAMBRA 2022

1 Ampionony, ampionony ny oloko, Hoy Andriamanitrareo; 2 Mitoria teny soa mahafaly amin’i Jerosalema, ka lazao aminy fa vita ny adiny, sady voavela ny helony, ary efa nandray indroa heny tamin’ny tànan’i Jehovah izy ho valin’ny fahotana rehetra nataony. 3 Injany! misy feon’ny miantso hoe: Manamboara lalana any an-efitra ho an’i Jehovah, manaova lalambe any an-tany foana ho an’Andriamanitsika. 4 Aoka hasandratra ny lohasaha rehetra, Aoka haetry ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra; Aoka ny be havoana ho tonga lembalemba, ary ny tany saro-dalana ho tonga lemaka; 5 Dia hiseho ny voninahitr’i Jehovah, ary ny nofo rehetra hiara-mahita izany; Fa ny vavan’i Jehovah no efa niteny. 6 Injany! misy miteny hoe: Miantsoa. Ary hoy izy: Ahoana anefa no antso hataoko? Ahitra ny nofo rehetra, ary ny hatsaran-tarehiny rehetra dia tahaka ny vonin-javatra any an-tsaha; 7 Maina ny ahitra, malazo ny voniny, satria tsofin’ny fofonain’i Jehovah ireny; Eny, ahitra tokoa ny olona. 8 Maina ny ahitra, malazo ny voniny; Fa ny tenin’Andriamanitsika dia haharitra mandrakizay. 9 Ry Ziona, izay mitondra teny soa mahafaly ô, miakara any an-tendrombohitra avo; Ry Jerosalema izay mitondra teny soa mahafaly ô, Asandrato mafy ny feonao, asandrato, fa aza matahotra; Lazao amin’ny tanànan’ny Joda hoe. Indro Andriamanitrareo! 10 Indro, Jehovah Tompo ho avy amin’ny heriny, ka ny sandriny ihany no hanapaka; indro, ny valim-pitia hatolony dia eny aminy, ary ny valin’asa homeny dia eo anoloany. 11 Hiandry ny ondriny tahaka ny mpiandry ondry Izy; Ny sandriny no hanangonany ny zanak’ondry, ka hotrotroiny eo an-tratrany ireny, ary horoahiny miadana ny ampianahany.ISAIA 40:1-11

MIAHY SY MIKARAKARA NY OLONY NY TOMPO

1-Mampahery

« Ampionony, ampionony ny oloko » (and 1a). Midika hoe : misento lalina,mangoraka,mampahery, miara-mitondra ny mavesatra ny teny fampiononana eto. Misento lalina ny Tompo manoloana ny fahababoana mihatra amin’ny olony .Adidin’ny Tompo ny zanany sy ny asan’ny tànany .

2-Mitory teny soa mahafaly

« Mitoria teny soa mahafaly » (and 2). Teny mipaka hatrany am-pon’ny olony no ambara eto. Teny soa milaza fanafahana sy famonjena, teny famelankeloka.Tsy mitahiry fahatezerana ny Tompo fa mamindra fo hatrany.

3-Mitondra fanavaozana

Manamboatra làlana, manandratra lohasaha, mampietry tendrombohitra sy havoana, manova ny tany saro-dàlana (and 3-4). Manana drafitra mazava hitondrana fanavaozana eo amin’ny vahoakany ny Tompo. Ny anjarantsika dia ny manaiky sy mandeha araka io lamina io. Jesoa Tompo Kristy io làlana sy fahamarinana manavao io.

4-Maneho ny voninahiny

« Dia hiseho ny voninahitr’i Jehovah ary ny nofo rehetra hiara-mahita izany » (and 5). Ny hanehoana ny voninahitry ny Tompo no ao ambadiky ny fahoriana sy ny fiaretana ary ireo fizahan-toetra samihafa izay mandalo .

5-Marina amin’ny teniny

« Ny Tenin’Andriamanitra haharitra mandrakizay » (and 8).Tanteraka ary ho tanteraka hatrany izay voarakitry ny Tenin’ny Tompo .Teny tsy miova sady teny manova .

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.