« Izaho hilaza an’i Jehovah hoe: Fialofako sy batery fiarovana ho ahy Izy Ary Andriamanitro, Izay hitokiako. Fa Izy no hanafaka anao amin’ny fandriky ny mpihaza sy ny areti-mandoza. » Salamo 91 : 2 – 3
Faly miarahaba antsika mpianakavin’ny finoana eto amin’ny tafo Athis Fanantenana amin’ny anaran’ny Tompo,
Hisy rojom-bavaka iarahan-tsika, koa taomy ny namana, havana aman-tsakaiza hiaraka iombona hiatrika izao fotoan-tsarotra izao.
ISAN’ANDRO AMIN’NY 21 H NO HANAOVANTSIKA IZANY ROJOM-BAVAKA IZANY.
Miambena, mivavaha , aoka hifampitondra amim-bavaka isika mianakavy. Hoy ny Tompo : » mifampivavaha dia ho sitrana ianareo. » Aza hadino izany 21 h isan’andro, hampitao amin’ny havana aman-tsakaiza.
Manonona ny fiadanan’ny Tompo amitsika rehetra.
Ny voamieran’ny aim-panahy