Miarahaba sy mirary soa ary misaotra anao mpamaky, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy Tompontsika,mandray sy mampiantrano ny Tranon-kalan’ny Fiangonana FPMA Athis-Fanantenana.

Ny Fiangonana  Fpma Athis-Fanantenana, dia fiangonana mino sy manaiky ary mampianatra fa  Jesoa Kristy, Zanak’Andriamanitra velona no Tompo sy Mpamonjy ; ary ny Tenin’Andriamanitra voasoratra ao amin’ny Baiboly  no fototra iorenan’izany finoana sy ny fampianarana izany.

Ny zava-kendrena dia ny fampielezana ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy, ny fanabeazana sy fampiorenana amin’ny finoana sy ny fiainana kristianina ary ny fijoroana ho vavolombelon’ny fahamarinan’Andriamanitra amin’ny teny sy fiainana ary ny asa.

Ny Tranon-kala dia fitaovana ampiasaina amin’izany asa fijoroana vavolombelona izany sy ny fampandrosoana ny fanjakan’Andriamanitra. Natao ihany koa ho fampahalalam-baovao sy fifaneraserana ary fifanakalozana eo amin’ny samy kiristiana  ato amin’ny sahan’ny Fpma sy ny any ivelany.

Koa dia manasa  sy  mampirisika  anao amim-panajana   mba hazoto hitsidika sy hamaky ireo lahatsoratra ato amin’ ity Tranon-kala ity. Fidio sy vakio ary ampahafantaro ny hafa koa ity Tranon-kala ity hamonto ny tokantrano samy hafa amin’ny Tenin’Andriamanitra izay hita ao anatiny, ho tany lonaka hamokatra voa tsara ho an’i Kristy.

Ny Departemantan’ny Serasera