Marcellin Ismaël RAZAFIMAHATRATRA

Adiresy:

16 Clos Nollet 91200 ATHIS-MONS

ANDRO SY ORA FANDRAISANY:

Talata , Alarobia, Zoma

Maraina : 09 ora – 11 ora.
Sabotsy tolak’andro : 03 ora – 06 ora.

Toerana:

Ao amin’ny Centre Paroissial: 10, Rue Etienne LEBEAU 91200 ATHIS-MONS na ao amin’ny trano fonenany

FITSIDIHANA SY FAMPAHEREZANA AN-TOKANTRANO

Azonao atao ny miantso an-tarobia mialoha hifanomezana fotoana

Tandremo ny tenanareo sy ny ondry rehetra izay nanaovan’ny Fanahy Masina anareo ho mpitandrina, hiandrasanareo ny fiangonan’Andriamanitra, izay novidiany tamin’ny rany
Asa 20 :28

Tsy misy fiangonana afaka handeha raha tsy misy mpitarika notendrena ao aminy.Ny Apostoly Paoly sy Barnabasy dia nanendry olona sy nametraka azy ireo ho amin’ny asan’ny loholona (presbytera) sy mpitandrina (episkopo) tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina (Asa 14 :23 ; I Tim 3 :1-7 ; Tit 1 :5-9).

Ny tena marina, dia ny Fanahy no mahatonga ny olona iray ho mpitandrina ny fiangonana.
Raha hoy Jesosy tamin’i Petera : « Simona, zanak’i Jaona, moa tia Ahy va ianao ?
Dia hoy Petera taminy : Eny, Tompoko ; Ianao mahalala fa tia Anao aho.
Dia hoy Jesosy taminy : Andraso sy fahano ary ny ondriko » (Jao.21 :15-17), dia anisan’ny andraikitra lehibe ho an’ny mpitandrina ny mamahana ny ondry amin’ny Tenin’Andriamanitra. Tsy maintsy ho tsaroin’ny mpitandrina mandrakariva fa ny andian’ondry izay nomena azy dia tsy hafa fa olona izay novidin’Andriamanitra ho an’ny tenany tamin’ny Ra soa sarobidin’ny Zanany (Asa 20 :28 ; I Kor 6 :20 ; I Pet 1 :19 ; I Pet 2 :9 ; Apok 5 :9).

Ny mpitandrina dia tsy maintsy manambara amin’ny fiangonany ny saina rehetra natolotr’Andriamanitra azy. Tsy maintsy « mitory ny Tenin’Andriamanitra ; tsy maintsy mandresy lahatra, mamporisika ary mananatra mafy amin’ny fahari-po sy ny fampianarana rehetra ary tsy ho mpitory hanao izay hampifaly ny olona fotsiny sy milaza izay tiany ho re, fa manatanteraka an-tsakany sy andavany ny sitrapon’Ilay Tompo sy Lohan’ny Fiangonana izay niantso ho amin’ny fanompoana masina » (II Tim 4 :2-3) satria Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona (Asa 5 :29).