Ny Tafo

NY TANTARANY

 Ny  Fpma Athis-Fanantenana dia anankiray amin’ireo Fiangonana na Tafo Fpma miisa 39 manerana an’i France. Ny 20 Aogositra 2005 dia nisy tanora malagasy nipetraka teto amin’ny commune Athis-Mons nitondra ny fanambadiany ho tsofina rano tao amin’ny fiangonana Saint-Denis d’Athis-Mons. Ny Rév. Dr RAVALITERA Jean, Filohan’ny FPMA no nananteraka izany asa masina izany. Ny ankabeazan’ny olona tonga nanatrika io fotoana io dia saika avy eto amin’ny departemantan’i Essonne avokoa. Dia nanipy hevitra ny Filohan’ny Fpma ny amin’ny hanorenana fiangonana protestanta malagasy eto Athis-Mons sady mbola tsy nisy fiangonana malagasy rahateo aty amin’ity faritra ity.
 Tsy mora anefa izany hanorina fiangonana izany satria mitaky faharesen-dahatra sy finoana tanteraka ; manaraka izany dia tsy maintsy natao ny fizahàna ny fahatomombanana (faisabilité) amin’ny lafiny maro : toerana na trano ivavahana, ny fitaovana hampiasaina, ary indrindra ny fiantsoana ny olona. Rehefa nandeha ny volana, nifandimby ny taona, ny 29 Desambra 2006 nohon’ny asan’ny Fanahy Masin’Andriamanitra tao amin’ny olona vitsivitsy tafavory tao an-tokantranon’ny Mpitandrina RAZAFIMAHATRATRA Marcellin,izay mipetraka eto Athis-Mons, dia niombon-kevitra fa hametraka ny taratasy fahazoan-dàlana ara-panjakana hanao fiaraha-mivavaka sy fivoriana masina ao amin’ny Fiangonana Saint-Denis d’Athis-Mons.
Ny Alahady 07 Janoary 2007 no notanterahana ny fanompoam-pivavahana voalohany ary teraka ny Fiangonana Protestanta Malagasy eto Essonne.Ny Mpitandrina voalaza anarana etsy ambony, izay Mpitandrina Fpma no nitarika ny fotoana sy nizara ny hafatra avy amin’ny Tenin’Andriamanitra ary nampandray ny Fanasan’ny Tompo.

Fotoana fohy tato aoriana dia nametraka ny fangatahana hiditra ao anatin’ny fianakaviamben’ny Fpma ny Fiangonana Protestanta Malagasy Athis-Fanantenana eto Essonne. Nankatoavin’ny Komity Maharitra Fpma nivory tamin’ny Mars 2007 ny fidiran’ny Fiangonana Athis-Fanantenana ho mpikambana ao amin’ny FPMA amin’ny alalan’ny fandalovana ho Fiaraha-Mivavaka FPMA izay napetraka teo ambany fiahian’ny Tafo PARIS ato amin’ny FARITANY AFOVOANY ANDREFANA. Ny Synaoda Lehibe faha 30 natao tany Montpellier tamin’ny  Okt-Nov 2008 kosa no  nandray fanapahan-kevitra ahalasa Tafo Fpma an’Athis-Fanantenana.

 Araka izany dia ny Foto-dalàna na Fitsipika Anatiny sy ny Satan’ny Fiangonana Protestanta Malagasy Andafy (FPMA) no iainana sy arahan’ny Fiangonana Athis-Fanantenana.

Mandehàna any amin’izao tontolo izao ianareo, ka mitoria ny Filazantsara amin’ny olombelona rehetraMarka 16 :15