Fihaonana isam-bolana SVK

Am-pifaliana hatrany no anolorana ny arahaba ho antsika rahavavy rehetra amin’ny anaran’ny Tompo,

Tonga indray ry rahavavy isany ny fotoana fihaonan-tsika isam-bolana , koa miantso antsika mba samy hamandrika dieny izao ny sabotsy 16 mai ho avy izao , manomboka amin’ny 3ora toy ny mahazatra.

Noho ny tsy mbola ahazoan-tsika mihaona vatana , dia ho tanterahana amin’ny conf call hatrany ny fihaonana ; ary ny mpitandrina RAOBINARISON Hanitra no hanao ny fampianarana .

Ho alefa tsy ho ela amintsika ny numero sy ny code hidirana amin’izany .

Mametraka antsika eo ambany fahasoavana sy fitahin’ny Tompo mandrakariva .

Ny birao svk